• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Daylily Paris
Image
Reny&Zaza

Firaisana ara-nofo mandritra ny fitondrana vohoka : ‘Ndeha ho resahana

23/08/2024 10:21 © Moov.Mg

Mahazo miray ve rehefa bevohoka ? Mila manao firaisana hono rehefa bevohoka sao tsy misokatra ny vozon’ny tranon-jaza ? Maro ireo fanontaniana manitikitika ny sain’ny mpivady sy ireo honohono re mikasika ny firaisana mandritra ny fitondrana vohoka. ‘Ndeha ary ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasika izany.

Mahazo miray ara-nofo mandritra ny fitondrana vohoka

Azo atao tsara ny miray ara-nofo mandritra ny fitondrana vohoka. Isan’ny zavatra mampatahotra ny mpivady matetika ny hoe sao voadoana ny filahina ny zaza ao an-kibo. Fihevitra diso avokoa nefa izany. Marihana fa ao anatin’ny tranon-jaza no mipetraka ny zazakely ka tsy ho voadona ny filahiana mihintsy izy rehefa miray ara-nofo.

Manakana ny fisokafan’ny vozon’ny tranon-jaza ve ny tsy fanaovana firaisana ?

Isan’ireo honohono re matetika tokoa ny hoe raha tsy ampy firaisana ara-nofo ny bevohoka dia mety tsy hisokatra ny vozon’ny tranon-jaza. Marihana fa tsy misy fiantraikany amin’ny vozon’ny tranon-jaza ny firaisana mandritra ny fitondrana vohoka. Mikatona tsara io vozon’ny tranon-jaza io ary rehefa vonona ho teraka ny zaza vao mikainkona ny tranon-jaza ka mampisokatra ny vozon’ny tranon-jaza. Mety mitranga tokoa ny hoe tsy misokatra ny vozon’ny tranon-jaza nefa kosa antony hafa mihintsy no mety mahatonga izany fa tsy ny tsy fanaovana firaisana nandritra ny fitondrana vohoka.

Rehefa inona no tsy tokony hiray ara-nofo ny bevohoka ?

Amin’ny ankapobeny dia afaka miray ara-nofo hatrany ny bevohoka mandritra ny fitondrana vohoka. Misy kosa nefa ireo antony manokana mahatonga ny mpitsabo handrara izany fanaovana firaisana izany raha toa ny bevohoka ka :
-Mandehà rà mandritra ny fitondrana vohoka ;
-Ambany ny ahitra na miloloha ahitra ny zaza ;
-Metete na efa vaky ny ranondohany ;
-Atahorana ho teraka tsy tonga volana ny zaza ;
-Mikaikokainkona ny tranon-jaza na hoe misy « contractions » nefa mbola tsy feno 37 herinandro ny vohoka.

Lire la suite

Articles Similaires