• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Passeportsanté
Image
Reny&Zaza

Fanadiovana ny zaza menavava : tsy tsara ampandroina isan’andro

05/01/2024 09:15 © Moov.Mg

Tafiditra tanteraka anatin’ny fikarakarana sy fikolokoloana ny zaza vao teraka ny fanadiovana azy. Araka ny fanazavan’ny rasazy sy ny dokotera dia mbola marefo ny hoditr’izy ireny ka mila fitandremana ny fanadiovana azy. Atoro eto ary ny tokony atao rehefa manadio ny zaza vao teraka amin’ny andavanandro.

Tsy tokony ampandroana isan’andro ny zaza menavava

Tsy avoretrana raha toa ka tsy ampandroina isan’andro ny zaza menavava fa mbola marefo ny hodiny ka mety ho lasa makiana izany, indrindra ho an’ireo zaza tena marefo. Araka ny fikarohana nataon’ireo manam-pahaizana tany ivelany ihany koa dia fantatra fa be « calcaire » ny rano amin’ny « robinet » ka mety tsy ho zakan’ny zaza vao teraka. Indroa na intelo isan-kerinandro eo izany no tsara apandroina izy ireny, izany hoe elanelanina 1 andro.

Ireo faritra mila fanadiovana isan’andro

Na tsy ampandroina aza ny zaza menavava dia misy ihany koa nefa ireo faritra amin’ny vatany mila diovina manokana isan’andro. Anisan’izany ireo faritra misy loto nohon’ny atsembohana, manilana… toy :

Ny maso

Maka « compresse » madio dia avalona efajoro. Lemana SSI (serum vidiana eny amin’ny farmasia) ary diovina avy aty amin’ny afovoan’ny maso no mankany amin’ny sisiny. « Compresse » hafa indray no ampiasaina rehefa manadio ny maso ilany.

Ny sofina

Lamba « coton » na « compresse » malefaka no ampiasaina. Lemana amin’ny SSI ary ny ravin-tsofina sy izay faritra mora azo amin’ny lamba no diovina. Tsy sokirina mihintsy rehefa manadio ny sofin’ny zaza, indrindra ny zaza menavava. Ny tain-tsofina dia miaro ny sofiny amin’ny mikraoba ka raha sokirina dia mety mahatonga aretina izany. Tsy adinoina ny manadio ny ambadiky ny sofina satria dia mora masaka tokoa io faritra io.

Ny ativava

Maka « compresse » madio dia fonosina amin’iny fanondronao. Lemana amin’ny rano nasiana karibonetra kely dia iny no hanadiovana ny ativavan’ny zaza, indrindra fa ny lela. Izany dia hanadiovana ireo ambina ronono mipetaka amin’ny lelany.

Ny faritra miforiporitra amin’ny vatana

Satria moa mbola tsy matoy ny hoditry ny zazakely vao teraka sy ny zaza amam-bolana dia mila fikarakarana manokana rehefa manadio azy. Tandremana tsara mba hadio hatrany ireo faritra miforiporitra, toy ny ambany helika, eo amin’ny tenda, ny elakalaky ny fe, ny ambadiky ny lohalika… Rehefa tsy mandro ny zaza dia diovina amin’ny « compresse » na « coton » nolemana rano ireo faritra ireo.

Lire la suite

Articles Similaires