• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © 3B Scientific
Image
Reny&Zaza

« Syndromes du Bébé Secoué » : tandremo fa mety mahafaty ny zaza !

23/12/2023 14:01 © Moov.Mg

Mety efa maro ny mahafantatra ny atao hoe « Syndromes du bébé secoué » nefa tsy vitsy ihany koa ny tsy mahalala. Mety mitera-doza, toy ny fahasembanana na fahafatesan’ny zaza izany raha sanatria mitranga ka izay indrindra no antony iresahana ny mikasik’izany.

Inona atao hoe « Syndromes du bébé secoué » ?

Ratra na tsy fahatomombanana ao amin’ny atidohan’ny zaza vokatry ny fanozongozonana (secouer) mafy azy ny atao hoe « syndrome du bébé secoué ». Izany hoe tazomina amin’ny tratrany, ny tanany, ny tongony na ny sorony ny zazakely dia ahozongozona mafy mba tsy hitomany intsony ohatra.
Anisan’ny herisetra ara-batana atao amin’ny zaza moa izany ka mety mitera-doza eo aminy. Matetika dia fihetsika tsy voatandrina ataon’izay mitaiza azy no mahatonga izany. Mety mahatonga ny « Syndromes du bébé secoué » ihany koa ny fanimpazana azy ambony heverina fa mampifalifaly ny zaza.

Ireo fambara ahafantarana zaza manao « Syndromes du bébé secoué »

Tsy voatery ahitana ratra na mangana ny zaza nahozongozona na nahontsakontsana mafy. Mety tsy miseho ivelany ihany koa ireo takaitra ao anaty mahazo azo. Misy amin’ireo zaza manao « Syndromes du bébé » kosa nefa no ahitana fambara toy ny hoe :
-Kirikirina na kizintina lava ;
Te hatory na matory lava ;
-Mandoa ;
-Mangovitra na mifanintona ;
-Tsy mahavita miaina tsara na sempotra ;
-Torana.

Ny fiantraikan’ny « Syndromes du bébé secoué »

Eo amin’ny zazakely vao teraka hatramin’ny 2 taona dia ny lohany no mavesatra indrindra amin’ny vatany. Mbola tsy mahazaka tsara ny lohany izany ny hozatra eo amin’ny hatony. Etsy andaniny dia mbola tsy matoy ny atidohany ary mbola malemy ny karan-dohany.
Noho izany, rehefa ahozongozona na ahontsakontsana mafy ny zaza dia miontsakontsana manarak’izany ihany koa ny atidohany ka mety haratra ary hitarika fahasembanana ara-batana na ara-tsaina eo aminy. Mety mitarika hatramin’ny fahafatesany ihany koa izany. Mety ho mangana ihany koa izy na hisy tsy fahatomombanana eo amin’ny taolany izay mbola malemy.

Ireo fitandremana atao rehefa mitaiza zaza

Mba hisorohana ny « Syndromes du bébé secoué » dia mila fadiana ny :
-Manozongozona ny zaza ;
-Manimpy ambony azy na dia mampifalifaly aza izany ;
-Mandray ny zaza avy ao ambany helika ;
-Miazakazaka rehefa mitrotro na mibaby zaza.

Lire la suite

Articles Similaires