Fampidirana sakafo ho an’ny zazakely : ireo fahadisoana tsara tandremana
Dingana lehibe eo amin’ny fitomboan’ny zaza ny fampidirana sakafo fanampiny na « diversification alimentaire ». Matetika eo anelanelan’ny faha 4 ka hatramin’ny 6 volana eo no hanombohana azy io. Satria mbola tsy hary tsara ny taovam-pandevonan-kanin’ny zazakely dia mila fitandremana ny fanatanterahana izany. Araho eto ary ireo fahadisoana tsara tandremana mikasika ny fampidirana sakafo ho an’ny zazakely.
Manomboka aloha loatra (na tara loatra)
Araka ny torohevitra avy amin’ny « Organisation mondiale de la santé » dia tsara raha manomboka manome sakafo fanampiny ny zazakely amin’ny faha-6 volana eo ho eo, na eo anelanelan’ny faha 4 sy 6 volana arakaraka ny torohevitr’ny mpitsabo. Raha aloha loatra ny fanatanterahana izany dia mbola tsy vonona tsara ny taovam-pandevonan-kanin’ny zaza. Raha tara loatra kosa dia mety ho sarotra aminy ny manaiky karazan-tsakafo ary mety hiteraka tsy fahampian-tsakafo (toy ny « fer) izany.
Manolo haingana loatra ny ronono
Ny ronono (rononon-dreny na solon-dronono) no sakafo fototra ho an’ny zaza hatramin’ny faha-1 taonany. Fahadisoana mahazatra ny mampihena haingana loatra ny fampinonoana na ny fatran’ny solon-dronono, ka manolo izany amin’ny legioma na voankazo nandroina sy nopotserina malemy. Ny rononon-dreny na solon-dronono no manome ny ankamaroan’ny otrikaina ilain’ny zaza hatramin’ny faha 12 volany. Ny sakafo fanampiny dia fanampiny ihany, fa tsy manolo ny ronono.
Manome karazan-tsakafo iray monja
Misy ray aman-dreny manome legioma ihany na voankazo ihany mandritra ny fotoana ela noho ny tahotra « allergie ». Araka ny torohevitr’ireo mpitsabo manoka ny zaza nefa dia azo atao tsara ny mampiditra sakafo isan-karazany amin’ny zaza manomboka misakafo, ka anisan’izany ireo sakafo mety hahatonga « allergie », toy ny atody, trondro, vokatra avy amin’ny ronono, voanjo… Atao amin’ny fatra kely sy amim-pitandremana kosa nefa izany. Ny fanemorana tsy amin’antony ireo sakafo ireo dia tsy mampihena ny mety ho « allergie », ary indraindray aza mampitombo izany.
Manery ny zaza hihinana
Raha manidy vava, manodina loha na mitomany ny zaza, dia famantarana mazava izany fa tsy noana izy na tsy mbola vonona. Ny fanerena azy hihinana dia mety:
-hahatonga fifandraisana ratsy amin’ny sakafo,
-hanakorontana ny fahatsapany fahavokisana,
-hitarika fandavana sakafo any aoriana.
Ny fampidirana sakafo dia dingana fianarana sy fikarohana, fa tsy fifaninanana handany ny eo am-bilia.
Manampy sira na siramamy amin’ny sakafo
Mbola tsy matoy tsara ny voan’ny zaza. Ny fanampiana sira dia manavesatra azy. Ny siramamy kosa mampazatra azy amin’ny tsiro mamy tafahoatra. Tsara kokoa ho an’ny zaza vao mianatra misakafo ny mahafantatra ny tsiro voajanaharin’ny sakafo.




