• Cours de change
  • 4625.72 AR
  • |
  • $4388.49 AR
Copyright Image : © Vecteezy
Image
Asa & Fianarana

Nahangona vola : Hanao trano sa hividy fiara

02/03/2023 08:44 © Moov.Mg

Raha nahavita nanangona vola betsaka, inona no atao : hanao trano sa hividy fiara ? Maro no miteny hoe miankina amin’ny laharam-pahamehan’ny tsirairay no anaovana ny safidy. Ireto kosa anefa misy lafin-javatra vitsivitsy tokony fantarina alohan’ny hirosoana amin’ny fanaovana trano na fividianana fiara.

Tsara kokoa ve ny misafidy ny hanao trano ?

Voatery manofa trano ny ankamaroan’ny olona na ankohonana tsy mbola manana trano. Fandaniana iray mivesatra amin’ny vola ao-trano izany. Raha ny eto Antananarivo manokona dia efa aman’hetsiny ny hofan’ny trano ahitana lakozia, trano fidiovana sy trano fivoahana ao anatiny. Raha nahangona vola misimisy, tena mety ny misafidy ny hanao trano. Anisan’ny harena mipetraka sy tsy mitombo vidy ny trano. Mbola azo atao fampidiram-bola ihany koa izy io raha hampanofaina aminy sarany lafolafo. Ny tompon’ny trano etsy andaniny manofa trano moramora kokoa ary misitraka ny tombony azo. « Amorti » na koa hoe miverina ny masokarena ny fanaovana ny trano afaka taona maromaro ao aorian’ny fahavitany ka tsy manofa trano intsony.

Mety kokoa ve ny misafidy ny hividy fiara ?

Fitaovana lafo vidy nefa tena ilaina ihany koa ny fiara. Ny olona mandeha miasa lavitra ny tranony matetika no liana amin’ny hoe hividy fiara. Afaka hasolo lasantsy ny saran’ny saran-dalana raha mila miampita bus maromaro isan’andro amin’ny fandehanana miasa. Tsara kosa anefa ny manamarika fa ny fiara dia harena mandany harena : ny vidina solika, ny fanamboarana, ny antotan-taratasy isan-karazany ilaina… Etsy ankilany ny vidiny izay mihen-danja rehefa mandeha ny fotoana. Sarotra noho izany ny mamerina ny masokarena ny nividianana azy, indrindra raha fiara tsy natokana hampidibola. Raha saran-dalana roa no aloha amin’ny fandehanana miasa dia efa mety ho avy folo eny no lany amin’ny solika.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo