« Freelancing » : fahalalahana ara-kasa sa fahasahiranana ?
Tao anatin’ny folo taona farany dia hita fa nitombo be eran-tany ny « freelancing ». Noho ny fivoaran’ny nomerika, ny fiparitahan’ny asa lavitra (télétravail), ary ny fisian’ireo sehatra an-tserasera, dia maro kokoa ny olona misafidy ity fomba fiasa ity. Misy ihany nefa ny fanontaniana lehibe mipetraka ao ambadiky ny fahalalahana hita maso: tena fahafahana ara-kasa tokoa ve ny « freelancing » sa endrika fahasahiranana vaovao ?
« Freelancing » : Fahalalahana amin’ny asa
Isan’ny antony iray lehibe mahasarika amin’ny « freelancing » ny fahafahana na fahalalahana omeny. Afaka misafidy asa, mametra ny karamany, ary mandamina ny fotoanany arak’izay itiavany azy ny mpiasa tsy miankina. Ireo mitady fifandanjana tsara kokoa eo amin’ny asa sy ny fiainana manokana no tena voasarik’izany.
Ankoatra izany, manokatra varavarana amin’ny tsena iraisam-pirenena ny « freelancing ». Ohatra, afaka miara-miasa amin’ny mpanjifa any Eoropa na Amerika ny olona misehatra amin’ny asa toy ny « graphiste », « Assistant virtuel », « développeur »… iray eto Antananarivo. Izany dia manitatra ny fahafahana sy mety hampitombo ny vola miditra.
Dingana mankany amin’ny fandraharahana
Matetika, ny « freelancing » dia heverina ho dingana voalohany amin’ny fandraharahana. Izany hoe ahafahana mitsapa ny fahaiza-manao, manangana tambajotra, ary mampivelatra asa tsy mila dingana sarotra be.
Ho an’ny sasany moa dia lasa asa maharitra izy io satria manome traikefa maro sy fahafahana hivoatra haingana. Ao amin’ny sehatra toy ny informatika, fanoratana, na « marketing numérique », dia mitombo hatrany ny tolotr’asa.
« Réalité économique » marefo
Na izany aza, misy lafy ratsiny ihany koa ny « freelancing ». Tsy manana karama raikitra na fiarovana ara-tsosialy matanjaka toy ny mpiasa anaty orinasa ny « freelances ». Mety hisy fotoana tsy misy asa, ka mahatonga fahatapahana na fihenan’ny vola miditra.
Eo ihany koa ny fifaninanana mafy amin’ireo sehatra an-tserasera, izay mety hanery ny olona hampidina ny vidin’asa. Izany moa dia mety hitarika amin’ny asa ambany karama sy fahasahiranana.
Fitokana-monina sy vesatra ara-tsaina
Mitaky fitantanana tanteraka ny asa ihany koa ny « freelancing » : fitadiavana mpanjifa, fanaraha-maso ny vola mivoaka sy miditra, fifandraisana amin’ny mpanjifa, fandaminana fotoana… Mety hiteraka adin-tsaina sy havizanana io fisahanina zavatra maro io. Ankoatra izany, mety hahatsapa ho mitoka-monina ny « freelances » satria tsy misy mpiara-miasa akaiky na rafitra manohana isan’andro.




