Ny maha zava-dehibe ny « orientation scolaire » ho an’ny hoavin’ny mpianatra
Eto Madagasikara dia mbola mijanona ho fototra lehibe amin’ny hoavin’ny tanora ny fanabeazana. Saingy ankoatra ny fandaharam-pianarana sy ny fanadinana dia misy lafin-javatra iray manan-danja nefa tsy voaresaka matetika, dia ny fanabeazana momba ny safidin’asa ao anatin’ny sekoly na ny « orientation scolaire ». Raha voarindra sy voapetraka tsara izy io dia afaka manampy betsaka ny mpianatra amin’ny fisafidianana ny lalam-piofanana mety aminy sy mifanaraka amin’ny filan’ny tsenan’asa. Araho eto ny andinindininy mikasik’izany.
Inona no antony ilaina ny « orientation scolaire » eto Madagasikara ?
Ny fisafidianana ny lalam-piofanana dia tena manan-danja tokoa ho an’ny hoavin’ny tanora. Matetika nefa dia tsikaritra fa amin’ny fomba kisendrasendra, fitadiavana voninahitra na avy amin’ny fanerena ara-tsosialy no hanatanterahan’ny mpianatra sy ny fianakaviana io safidy io. Tsy misy fantatra mazava akory ny mikasika ilay lalam-piofanana sy ny mety ho asa mifandray amin’izany any aoriana. Noho izany, ilaina ny « orientation scolaire » na ny fanabeazana momba ny safidin’asa ao anatin’ny sekoly mba :
Hisorohana ny fahadisoan-dalana na « erreur de parcours »
Marobe ny mpianatra misafidy lalam-piofanana iray nefa tsy mahalala ny fepetra takian’izany sy ny mety ho asa mifanaraka amin’izany any aoriana. Ny fisian’ny « orientation scolaire » dia mampihena ny mety hoe fahadisoan-dalana na safidy izay mahatonga ny mpianatra miala an-daharana na miova lalam-piofanana eny antenantenam-potoana.
Hanomezana lanja ireo lalam-piofanana rehetra
Eto amintsika dia mbola maro tokoa ireo karazana lalam-piofanana vitsy mpahafantatra na manamaivana, toy ireo lalam-piofanana teknika sy « professionnel ». Any amin’ireo « filières » malaza, mahazatra sy heverina ho manome asa tsara rehefa any aoriana matetika ny tanora no amporisihan’ny fianakaviana. Ny fampidirana ny fanabeazana momba ny safidin’asa ao anatin’ny sekoly dia manampy ny mpianatra hahafantatra ireo lalam-piofanana rehetra misy sy hanomezana azy ireo fivelaran-tsaina kokoa manoloana ireo safidy maro misy.
Hanamafisana ny fifandraisana amin’ny tsenan’asa
Ny fanabeazana tsara momba ny safidin’asa dia manamafy ny fifandraisan’ny sekoly amin’ny zava-misy eny amin’ny tsenan’asa. Ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa eo an-toerana, ny fiofanana sy ny fitsidihana asa dia manampy ny mpianatra hahafantatra misimisy kokoa mikasika ny fahaiza-manao ilaina eo amin’ny sehatry ny asa sy hiomana sahady amin’ny zavatra miandry rehefa vita ny fianarana.
Ireo zavatra azon’ny sekoly atao
Mbola vitsy dia vitsy ny sekoly manana rafitra miandraikitra ny fanabeazana momba ny safidin’asa ho an’ireo mpianatra ao aminy. Anisan’ireo zavatra azon’izy ireo atao mba hirosoana tsikelikely amin’izany ny :
-Fametrahana « service de conseil » ou « référent orientation » izay mpanolontsaina momba ny safin’asa ho an’ny ambaratonga tsirairay,
-Fikarakarana atrikasa momba ny asa sy fitsidihana orinasa mba hampifandray ny « théorie » sy ny zava-misy,
-Fampidirana ny fanabeazana momba ny safidin’asa manomboka ny amin’ny ambaratonga fototra mba hahatonga ho voalanjalanja sy mazava tsara ho an’ny ankizy ny safidy,
-Fandrindrana fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina sy ny sampan-draharaham-panjakana eo an-toerana mba hampahafantara ny sehatr’asa miroborobo sy be tolotra.




