• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mister Prépa
Image
Asa & Fianarana

Miari-tory sa mifoha maraina: iza no mahasalama kokoa ?

13/03/2026 11:52 © Moov.Mg

Samy mananana ny « horloge biologique » sy ny gadony ny olona tsirairay. Misy mahavita miasa na mianatra tsara kokoa amin’ny alina, misy kosa ireo mifantoka sy mazoto kokoa ilay vao maraina iny. Amin’izao andro iraisam-pirenena ho an’ny torimaso izao dia andeha ho valiana ny fanontaniana hoe : tsara kokoa ho an’ny fahasalamana ve ny miari-tory sa mifoha maraina raha hiasa na hianatra ?

Ny « horloge biologique » : manana anjara toerana lehibe

Ny vatantsika dia manana gadona voajanahary antsoina hoe « rythme circadien », izay mifehy ny torimaso, ny fahamailoana ary ny asa maro ao amin’ny vatana mandritra ny 24 ora eo ho eo. Misy olona tia mifoha maraina (chronotype matinal), ary misy kosa mavitrika kokoa amin’ny alina (chronotype tardif).
Rehefa manaraka ny gadona voajanaharin’ny tenany ny olona iray dia matetika izy mahavita asa tsara kokoa sy mahatsapa hery bebe kokoa. Na izany aza dia matetika mifantoka amin’ny ora maraina ny fandaharam-piainana amin’ny fiaraha-monina (asa, sekoly, fotoana fiasana), ka mety hanasarotra ny fiainan’ireo olona mavitrika amin’ny alina.

Miari-tory miasa na mianatra : ireo tombony sy lafy ratsiny

Ho an’ny olona maro dia mangina sy milamina kokoa ny alina ka manamora ny fifantohana amin’ny asa na fianarana.
Tombony:
-Vitsy ny fanelingelenana
-Mangina ny tontolo ka manampy amin’ny famoronana sy fifantohana
-Afaka mandamina ny fotoana amin’ny fomba malalaka kokoa
Lafy ratsiny :
-Mety hihena ny kalitaon’ny torimaso
-Mety ho reraka raha mbola mila mifoha maraina ihany
-Mety hanakorontana ny gadona voajanaharin’ny vatana
Raha maharitra ny fahazarana matory tara nefa mbola mila mifoha maraina dia mety hiteraka tsy fahampian-torimaso, tsy fifantohana ary adin-tsaina.

Mifoha maraina: gadona milamina kokoa

Matetika dia mifandray amin’ny torimaso milamina sy voalamina tsara ny fifohazana maraina. Mazàna dia mbola vaovao sy mazava tsara ny saina ilay vao maraina iny.
Tombony:
-Mora mifanaraka amin’ny fandaharam-piainana amin’ny fiaraha-monina
-Manampy amin’ny torimaso ara-dalàna sy voalamina
-Mazava sy mavitrika kokoa ny saina amin’ny maraina
Lafy ratsiny:
-Sarotra ho an’ny olona izay zatra miari-tory
-Mety hihena ny herin’ny vatana amin’ny hariva
Ho an’ny olona maro dia mety ho fotoana tsara indrindra hanaovana asa mila fifantohana sy fandinihana ny ora maraina.

Ny torimaso tsara no zava-dehibe

Raha ny marina dia tsy ny fiaretan-tory na ny fifohazana maraina no zava-dehibe, fa ny kalitao sy ny faharetan’ny torimaso. Araka ny torimariky ny manam-pahaizana dia torimaso adiny 7 hatramin’ny 9 ora isan-kalina no ilain’ny olon-dehibe. Ankoatra izay dia ilaina ny mikaroka sy manaraka ny gadona voajanaharin’ny vatanao sy mifanaraka amin’ny fiananao andavanandro.

Lire la suite

Articles Similaires