Fahasalaman’ny nify : ‘ndeha ho resahana ny mikasika ny « déchaussement dentaire »
Zavatra ara-dalàna ny fionzongozonan’ny nify sy ny fialany eo amin’ny ankizy mbola mifo-nify. Raha eo amin’ireo lehibe kosa dia tranga tsy ara-dalàna izay fambaran’olana eo amin’ny nify atao hoe « déchaussement dentaire » izany. Mety mitarika amin’ny fialan’ny nify izy io raha tsy voaray an-tanana ara-dalàna. ‘Ndeha ary resahana eto ny mikasika ny « déchaussement dentaire ».
Inona no atao hoe « déchaussement dentaire » ?
Ny « déchaussement dentaire » na « récession gingivale » dia olan’ny ati-vava sy ny nify isan’ireo mahavoa olona maro. Miseho amin’ny ny fihemoran’ny hihy izy io ka lasa miseho ny faka-nify. Io fipoitran’ny faka-nify io dia lasa mamparefo ny nify, mampanaintaina, mampiozongozona ary mampiainga azy. Mety mitarika amin’ny fiongotan’ilay nify mihintsy moa izany raha tsy voaray an-tanana mialoha.
Ireo antony mety mahatonga ny « déchaussement des dents »
Maro ireo anton-javatra mety mandrisika ny « déchaussement dentaire » :
-« Maladies parodontales » toy ny « gingivite » sy ny « parodontite » izay isan’ireo antony lehibe indrindra. Izy ireo dia otrikaretina azo avy amin’ny bakteria izay mamotika tsikelikely ireo « tissus » mitazona ny nify ka mahatonga ny fihemoran’ny hihy ;
-Fiborosiana ny nify mafy loatra na ny fampiasana borosy nify « à poils durs » izay mety manimba ny hihy sy mampihemotra azy ;
-« Bruxisme » na ny fampiadiana nify, matetika tsy fanahy iniana, dia manisy « pression » mafy eo amin’ireo nify sy ny hihy ka mety mitarika ilay « déchaussement » ;
-Foto-tarazo, izany hoe raha efa nisy voa ny ray aman-dreny na ny havana akaiky dia ambony ny « risques » hahavoa ;
-Fifohana sigara satria ny sigara dia mampihena ny fahatongavan’ny rà any amin’ny hihy ka mahatonga ity farany harefo sy mora andairan’ny « infections » ary ny « déchaussement » ;
-Fikorontanan’ny filahatry ny nify izay mety mampisy « pression » mafy eo amin’ny faritra sasany amin’ny hihy ka mampihemotra izany ;
-Fikorontanan’ny hormonina, toy ny mitranga mandritra ny fitondrana vohoka sy ny « ménopause », izay mampalemy sy mamparefo ny hihy.
Ireo mety ho fiantraikan’ny « déchaussement des dents »
Maro ireo mety ho fiantraikan’ny « déchaussement des dents » ka anisan’izany ny :
-Fahalemen’ny nify satria rehefa mihemotra ny hihy dia lasa mipoitra sy tsy voaaro intsony ny faka-nify. Raha izany no mitranga dia lasa tsy mahazaka zavatra mafana na mangatsiaka, sakafo marikivy na mamy… ilay nify ;
-Fanaintainana eo amin’ilay nify rehefa miborosy nify na rehefa mitsako ;
-Areti-nify ao amin’ny faka-nify (caries radiculaires) ;
-Fiongotan’ilay nify ;
-Faharatsian’ny fitsiky vokatry ny fihemoran’ny hihy.
Vahaolana sy fitsaboana azo atao
Maro ireo vahaolana afaka hitsaboana ny « déchaussement dentaire » :
-Tandrovana tsara ny fahadiovan’ny ati-vava sy ny nify. Borosiana tsara ny nify ary borosy nify malefaka no ampiasaina. Tsy adinoina ny mampiasa « fil dentaire » hisorohana ny fiombon’ny « déchaussement » ;
-Fanaovana « détartrage » mba hanesorana ireo « tartre » sy bakteria mety mahatonga ny « maladies parodontales » ;
-« Greffe de gencive » eo amin’ireo manao « déchaussement sévère » mba hanaromana ny faka-nify lasa mipoitra be ;
-Fanintsiana ny nify raha toa ka mikorontana be ny filahatr’izy ireo ;
-Fialana sigara.