Marefo ny hery fiarovana : ny tsara fantatra mikasika ny « immunodépression »
Ny « immunodépression » dia ny faharefoan’ny hery fiarovana ka mahatonga ireto farany tsy afaka miady amin’ireo otrikaretina sy « agressions extérieures ». Ny olona manao « immunodépression » arak’izany dia mora andairan’ny aretina, indrindra ireo otrikaretina mora mifindra. Araho eto ireo tsara fantatra mikasika ny « immunodépression » na ny farefoan’ny hery fiarovana.
Inona no atao hoe « immunodépression » ?
Ny « immunodépression » dia sady tsy fahatomombanana ara-pahasalamana no aretina iray miseho amin’ny faharefon’ny hery fiarovana. Rehefa malemy na marefo ny hery fiarovana dia lasa mora handairana sy resin’ireo « antigènes », toy ny bakteria, viriosy, katsentsitra na « agents toxiques » ny vatana.
Ny hery fiarovana dia voarafitra sela sy proteina manokana hahafahany miady amin’ireo fanafihana (antigènes) avy any ivelan’ny vatana. Samy manana ny anjara asany manokany sy tena ilaina amin’ny fiarovana ny vatana ireo sela sy proteina ireo. Raha mihena ny tanjany na hoe lasa marefo dia lasa tsy mahavita manatanteraka ara-dalàna ny asa fiarovana ny vatana amin’ireo « antigènes » intsony izy ka izay no atao hoe « immunodépression ».
Ireo antony mety mahatonga ny « immunodépression »
Ny « immunodépression » na ny farefoan’ny hery fiarovana dia mety ho avy amin’ny fototarazo na koa avy amin’ny olana ara-pahasalamana. Mety ho vokatry ny anton-javatra hafa, toy ny tontolo manodidina, fahazaram-piaina na fampiasana fanafody sasany ihany koa izy io.
Anisan’ireo antony isany tena fantatra mety mitarika ny « immunodéficience » ny aretina VIH. Ity farany dia mampihena ny isan’ny « globules blancs » ka lasa mamparefo ny vatana ary mahatonga azy mora andairan’ny aretina samihafa.
Misy anton-javatra hafa mety mitarika io farefoan’ny hery fiarovana io ihany koa ny :
-Tsy fanjariantsakafo ;
-Homamiadana ;
-« Insuffisances cardiaques », « insuffisances respiratoires » na « insuffisances rénales sévères » ;
-Hatavezana tafahoatra (obésité) ;
-Diabeta ;
-« Chimiothérapie ».
Inona no mety ho fiantraikan’ny « immunodépression » ?
Avo dia avo tokoa ny « risques » mety hahazoana otrikaretina sarotra eo amin’ny olona « immunodéprimées » ary mety mitarika amin’ny fahafatesana moa izany matetika. Ankoatra izay dia ambony ihany koa ny « risques » mety hahavoa ny homamiadana satria eo amin’ny olona salama dia ny hery fiarovana no miasa amin’ny famotehana ireo « cellules cancéreuses ».
Anisan’ireo fambaran’ny « immunodépression » ny :
-Harerahana lalina sy maharitra ;
-Farefoana manoloana ireo otrikaretina mety hitarika fahasarotana ;
-Faharetan’ny fahasitranana na dia manaraka fitsaboana ara-dalàna aza ;
-Fiovana lanja sy habe tampoka.
Ny fitsaboana azo atao
Atomboka amin’ny fitadiavana ny antony mahatonga ilay farefon’ny hery fiarovana ny fitsaboana izany. Miankina amin’izay no hamaritan’ny mpitsabo ny fitsaboana atao. Anisan’izany ny fampidirana « antibiotiques » hitsaboana ireo otrikaretina maro sy miverimberina eo amin’ny olona « immunodéprimées ». Eo amin’ireo tranga tena sarotra dia mety atao « greffe de cellules souches » ny hery fiarovana. Izany moa dia mba hanerena ny hery fiarovana hampiasa ireo sela vaovao ireo hiarovana ny vatana amin’ireo « antigènes ».