« Otite » na tsitongandronono eo amin’ny olon-dehibe : ‘ndeha ho resahana !
Aretin’ny sofina fahita eo amin’ny zaza sy ny ankizy, nefa koa mety mahavoa ny lehibe ny « otite » na ny tsitongandronono. Ny « otite externe » sy ny « otite moyenne aiguë » no tena mitranga matetika. Efa noresahana teto ny mikasika ity aretina ity eo amin’ny zaza sy ny ankizy. Andeha ary ho fantarina indray ny fisehony, ny anton-javatra mety mahatonga azy sy ny fitsaboana izany eo amin’ny lehibe.
Inona no atao hoe « otite » na tsitongandronono ?
Ny « otite » na tsitongandronono dia aretina iray miseho amin’ny alalan’ny « inflammation » sy fanaintainana mafy eo anivon’ny sofina. Mety ao anatin’ny « conduit auditif externe » ny sofina no misy azy, ka izay no atao hoe « otite externe ». Mety ihany koa nefa hahavoa ny apongan-tsofina (tympan) sy ny « caisse du tympan » izy io ka raha izay no antsoina hoe « otite moyenne aiguë ». Mety mitranga irery, nefa koa mety hiaraka amin’ny otrikaretina hafa, toy ny « rhinopharyngite » na ny « angine » ny tsitongandronono. Mety ho ny sofina ilany ihany na izy roa moa no miaraka tratry ity aretina ity.
Ireo fambaran’ny tsitongandronono tokony hahamailo
Miankina amin’ilay karazana « otite » ny fomba fisehony eo amin’ny olon-dehibe. Ny fanaintainana ao amin’ny sofina kosa nefa no soritr’aretina voalohany manambara azy io.
Ny fambara manokan’ny « otite externe » : Fanaintainana mafy ao amin’ny sofina ary vao maika mihamafy rehefa mikitika ny « pavillon » ny sofina na rehefa mitsako. Ankoatra izay dia misy ireo soritr’aretina hafa miseho eo amin’ny sofina, toy ny hoe mangidihidy, misy tsiranoka mivoaka, mahatsapa toy ny tsentsina. Mety manavinavy kely na tsy manavy mihintsy.
Ny fambara manokan’ny « otite moyenne aiguë » : Manaintaina be, manindrona mafy ao amin’ny sofina ary mety manavy mihintsy. Mahatsapa toy ny hoe tsentsina ny sofina, mihena ny fahenoana, maneno ao any sofina, marary andoha. Mety misy tsiranoka mivoaka raha toa ka misy goaka na rovitra ny apongan-tsofina.
Ireo antony mety mahatonga ny « otite » eo amin’ny olon-dehibe
Samy manana ireo antony mety mahatonga azy ireo karazana « otites ».
Ho an’ny « otite externe » :
-Hamandoana maharitra ao anatin’ny « conduit auditif » (milomano matetika, hatsembohana) ;
-Fampiasana « coton-tiges » na fitaovana hisokirana ny ao anaty sofina ka mahatona ratra kely mampiditra « germes » ;
-Aretin-koditra sasany mahavoa ny ao anaty sofina.
Ho an’ny « otite moyenne aiguë » :
-Otrikaretina avy amin’ny viriosy na bakteria mahavoa ny lalan-drivotra (sery, gripa) ;
-« Barotraumatismes » toy ny fiovana « pression » haingana be (mandeha fiaramanidina, manao « plongée sous-marine ») izay manakorontana ny fiasan’ny « trompe d’Eustache » ;
-Fifohana sigara na « allergies » mety mitarika « inflammation des muqueuses ».
Oviana no mila manantona mpitsabo ?
Rehefa mahatsapa fanaintainana maharitra sy tsy fanta-pihaviana eo amin’ny sofina dia mila manantona mpitsabo. Ny mpitsabo « généraliste » na « ORL » no manatanteraka « otoscopie » ahafahana mahazo fizahana sy mamaritra ilay karazana tsitongandronono.
Mila manantona mpitsabo avy hatrany raha toa ka :
-Mahatsapa fanaintainana marary be ao amin’ny sofina ;
-Manavy be, fanina na tratry ny « paralysie faciale » ;
-Misy tsiranoka mivoaka avy ao amin’ny sofina.