• Cours de change
  • 5188.56 AR
  • |
  • $4507.44 AR
Copyright Image : © Lescarnetssante
Image
Fahasalamana&Sakafo

'Ndao hanamboatra "Muffins aux pépites de chocolat"

19/10/2025 00:05 © Moov

Mahafinaritra tokoa ny mikarakara sakafo miavaka rehefa faran'ny herinandro. Raha mitady "dessert" na "goûter" matsiro àry, andramo ny "Muffins aux pépites de chocolat".

Ankafizin'ny sokajin-taona rehetra ny vokatra mamy misy sokolà. Mofomamy amin'ny tsirony hafakely tokoa ny "Muffins aux pépites de chocolat", sady manintona ery ny endriny rehefa masaka tsara. 30 minitra eo ho eo dia vonona ity zava-mamy ity.

Ireo akora sy fitaovana ilaina

Koa satria tsy mofomamy ny "Muffins aux pépites de chocolat", tsy maintsy mampiasa lafaoro ny mpikarakara. Mazava ho azy, ilaina ihany koa ny "moules" na lasitra. Marihana fa efa misy lasitra fanaovana "muffins" mihitsy. Mila vilia jobo anakiroa ihany koa.
Ireto avy àry ireo akora homanina, ho an'olona enina :
-Lafarinina 400 grama
-Siramamy 250 grama
-Pépites de chocolat 250 grama
-Atody 3 isa
-Ronono 1,5 litatra
-Dibera 150 grama
-Leviora
Lavanila
Sira

Fomba fikarakarana azy

Afangaro ao anaty vilia jobo na koveta kely ny lafarinina, ny siramamy, ny leviora sy ny sira. Indroa mitsongo avy ny leviora sy ny sira. Kapohina (mampiasa fouet na batteuse) ao anaty koveta hafa kosa ny ronono, ny atody, ny dibera sy ny lavanila. Rehefa miakatra tsara io fangaro io dia atambatra tsikelikely amin'ny lafarinina misy siramamy. "Spatule" no ampiasaina mba hifangaro tsara ireo akora rehetra. Arotsaka avy eo ny "Pépites de chocolat"
Arotsaka ao anaty "moules" avy eo ny "pâte" ary ampidirina ao anaty laforo efa mafana tsara.
180°C ny hafanana ilaina ary 20 minitra ny famahasahan'ny Muffins.

Lire la suite

Articles Similaires