Fahasalamana : ireo tsara fantatra mikasika ny « panaris »
Aretin-koditra iray mahavoa olona maro nefa mbola vitsy mahafantatra ny « panaris ». Eo amin’ny rantsan-tanana na rantsan-tongotra no hisehoan’izy ity ary mety tena manaintaina sy mihitatra tokoa raha tsy voatsabo ara-dalàna. Inona ary ny « panaris » ? Inona no mety mahatonga azy ? Ahoana ny fitsaboana atao ? Araho eto ireo tsara fantatra.
Inona no atao hoe « panaris »
Ny « panaris » dia aretin’ny hoditra sy ireo « tissus sous-cutanés » eo amin’ny rantsan-tanana na tongotra. Avy amin’ny bakteria iray atao hoe « staphylocoque doré » moa matetika no mahatonga azy io. Miseho amin’ny alalan’ny « inflammation » manaintaina sy mamoro-nana izy io. Matetika dia eo amin’ny manodidina ny hoho no misy azy ka izay no atao hoe « panaris péri-unguéal ». Misy fotoana dia mety eo amin’ny « pulpe » ny rantsana no ahitana azy ka atao hoe « panaris pulpaire ».
Ireo antony sy anton-javatra mety mahatona ny « panaris »
Amin’ny ankapobeny dia aorian’ny ratra kely eo amin’ny hoditra, toy ny hoe tataka, voatsindrona, somisika, « ongle incarné »… no mahatonga ny « panaris ». Eo amin’ireo ratra ireo no tafatsofoka ao amin’ireo « tissus » ny hoditra ilay bakteria ka mahatonga « infection ».
Misy ihany koa ireo anton-javatra hafa mety mampitombo ny « risques » hahavoa ny « panaris » :
-Fikarakarana hoho (manucure/pédicure) tsy ara-dalàna. Raha notapahana fohy loatra ny « cuticules » na nampiasa fitaovana tsy « stérilisés » dia mety mitarika « infection » ;
-Manaikitra hoho. Mety manimba ny hoditra manodidina ny hoho ity fahazarana ity ka manamora ny fidiran’ny bakteria ;
-Diabeta. Ireo olona diabetika dia mety ho mora hisy « infections » noho ny hery fiarovany lasa marefo.
Ireo soritr’aretina na fomba fisehon’ny « panaris »
Miovaova arakaraky ny fahasarotan’ilay aretina ny soritr’aretina na ny fomba fisehon’ny « panaris ». Anisan’ireo fambara miseho matetika ny hoe :
-Manaintaina sy manindrona be eo amin’ilay rantsana marary ;
-Mivaramena, mafana sy mivonto ny hoditra manodidina ilay faritra « infectée » ;
-Misy nana miforona sy miangona ao ambanin’ilay hoditra ;
-Toy ny mirirotra eo amin’ny hoditra manodidina ilay faritra marary ary manaintaina vao kitihina na voakasoka ;
-Manavy raha efa misy fahasarotana ilay aretina.
Fomba fitsaboana azy
Raha mahatsikaritra fambaran’ny « panaris » dia mila manantona mpitsabo mba ahitana ny fitsaboana na fandraisan-tanana sahaza izany. Miankina amin’ny fahasarotan’ilay aretina ny fitsaboana ny « panaris » :
-Raha mbola vao manomboka dia lomana rano mafana sy asiana « antiseptiques » mba hampitoniana ny fanaintainana sy hampisindana ilay « inflammation » ;
-Raha misy nana dia mety mila didiana any amin’ny mpitsabo hanesorana ireo nana. Atao « anesthésie locale » ;
-Raha efa sarotra ilay aretina na hoe efa niparitaka ilay « infection » dia ampidiran’ny mpitsabo « antibiotiques » hitsaboana izany ;
-Ho an’ireo tranga efa « graves » na « chroniques » dia mila fandidiana any amin’ny hopitaly hanesorana ireo « tissus infectés ».
Fisorohana azo atao
Mba hisorohana ny « panaris » dia ilaina ny :
-Mitandro hatrany ny fahadiovan’ny tanana sy ny tongotra. Sasana amin’ny rano sy savony matetika, indrindra raha nikasika toerana mety « contaminées » ;
-Mitandrina rehefa manapaka hoho. Tsy atao fohy loatra ny « cuticules » ary fitaovana madio sy « stérilisés » hatrany no ampiasaina rehefa mikirakira ny hoho ;
-Mitsabo sy manadio ireo ratra kely toy ny tataka, kiaka… ;
-Tsy manaikitra hoho ;
-Manara-maso ny diabeta. Raha diabetika dia tandrovana tsara ny fahasalaman’ny tongotra sy ny tanana.