• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Amandine Cooking
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « pain burger » malefaka tsara

10/03/2025 16:33 © Moov.Mg

Anisan’ireo « goûter » ankafizin’ny ankizy ny « hamburger ». Ho an’ireo te hikarakara izany ao an-trano dia efa misy ireo « pains burger » vonona ampiasaina hita eny amin’ireny tranom-barotra lehibe ireny. Azo atao tsara koa nefa ny manamboatra ao an-trano. Araho eto ary ny fomba tsotra fanaovana « pain burger ».

Ireo akora ilaina raha hanao « pain burger »

-Lafarina 500g ;
-Levure boulangère 10g ;
-Siramamy 20g ;
-Sira 8g ;
-Atody 1 ;
-Ronono masaka matimaty 20sl ;
-Dibera malemy 60g ;
-Rano matimaty 10sl ;
-Graines de sésame ( tsy voatery)

Ireo dingana amin’ny fanaovana azy

Atao anaty lovia kaopy ny levure dia asiana rano matimaty kely sy siramamy kely. Avela hipetraka kely mandritra ny 5 na 10 minitra mandrapisy « bulles » kely miforona ;
Maka lovia jobo lehibe dia afangaro ao ny akora maina rehetra dia ny lafarina, siramamy sy sira ;
Lavahana eo afovoan’ny lafarina. Arotsaka ao ny atody, ny ronono matimaty sy ilay levure tao anaty kaopy teo. Afangaro tsara mandra pahazoana paty mitambatra tsara ;
Alefa ao amin’ilay paty ny dibera malemy, izany hoe tsy mivaingana nefa tsy mitsonika ihany koa. Volavolaina sy tsindrina eo ambony latabatra ny paty mandra pahatonga azy malama sy « élastique » ;
Volavolaina ho lasa boribory ilay paty dia apetraka ao anaty lovia jobo nosorana menaka kely. Rakofana lamba madio dia avela hilona ao mandritra ny adiny 1ora sy sasany eo ho eo mba hibontsina tsara ;
Rehefa vita izay dia alaina ny paty ary zaraina boribory 8 na 10 mitovy. Apetraka eo ambony « plaque de cuisson » efa nasiana « papier cuisson ». Somary fisahana kely ireo paty boribory ;
Rakofana lamba madio ireo paty ary avela hilona mandritra ny 30 minitra ;
Hafanaina amin’ny hafanana 200°C ny lafaoro ;
Kapohana miaraka ny tamenak’atody sy ny ronono kely. Osorana io fangaro io ny tampon’ireo paty tsirairay. Rarahana « graines de sésame » kely ;
Atsofoka anaty lafaoro ary andrahoina ao mandritra ny 15 hatramin’ny 20 minitra. Rehefa mahazo loko dia vita ;
Avela mangatsiaka tsara vao ampiasaina hanaovana « hamburgers ».

Lire la suite

Articles Similaires