Fomba fanamboarana « gâteau nuage au citron »
Anisan’ireo mofomamy matsiro sy be mpankafy ny « gâteau nuage ». Ny mampiavaka azy ity dia izy ilay malefaka kely ka levona mora ao am-bava rehefa mihinana azy. Mora karakaraina ary tsy dia be masonkarena be izy ity. Araho eto àry ny fanaovana « gâteau nuage au citron ».
Ireo akora ilaina raha hanao « gâteau nuage au citron »
-Atody 3 ;
-Maïzena 30g ;
-Siramamy 60g ;
-Ranona voasary makirana ½ sotrokely ;
-Yaourt grec na fromage blanc 250g.
Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy
-Hafanaina amin’ny hafanana 150°C ny lafaoro.
-Sarahana ny tamenak’atody sy ny tapotsiny.
-Arotsaka ao anaty robot ny tapotsin’atody ary araraka ao ny ranona voasary makirana. Alefa ilay fitaovana mandra-piakatr'ilay tapotsin’atody ka hahazoana « blancs en neige » mafy tsara, izany hoe tsy miraraka intsony ;
-Afanagaro tsara ao anaty saladier ny tamenak’atody sy ny siramamy, ny maïzena ary ny fromage blanc na ny yaourt grec.
-Arotsaka indroa miantoana ao anatin’ilay saladier misy tamenak’atody ny tapotsin’atody nokapohana teo. Aroharoana moramora amin’ny spatule. Tsy atao mafy loatra sao simba ilay « blancs en neige ».
-Rehefa mifangaro daholo ny paty dia arotsaka ao anaty lasitra fanaovana cake efa nosorana dibera tsara. Apetraka ao anaty « plaque de cuisson » nasiana rano tsy mandifotra azy ilay « moule » mba hanaovana « bain-marie ».
-Andrahoina anaty lafaoro amin’ny hafanana 150°C mandritra ny 50 minitra.
Fanamarihana
Tsara kokoa raha « moule à cake » no hanaovana ity « gâteau nuage au citron » ity. Raha hampiasa « moule à gâteau rond » dia ilay 18cm no ampiasaina mba hampibontsina tsara azy.