• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Info Somnolence
Image
Fahasalamana&Sakafo

Aretin’andoha : ireo fomba natoraly manampy hampitoniana izany

28/01/2025 11:49 © Moov.Mg

Ny aretin’andoha, izay mahavoa olona 1 amin’ny 2 maneran-tany, matetika dia afangaron’ny maro amin’ny « migraine ». Noho izany dia ny fihinanana fanafody « antalgiques » no mandalo ao an-tsaina voalohany rehefa marary an-doha. Misy nefa ireo torohevitra tsotra sy natoraly manampy amin’ny fampitoniana ny fanaintainana rehefa marary an-doha. Araho ary.

Ny maha samy hafa ny aretin’andoha sy ny « migraine »

Mba ahafahana mamantatra ny fomba atao hampitoniana ny aretin’andoha dia mila hay ny manavaka ny aretin’andoha sy ny « migraine ».
-Ny « migraine » dia tena aretina iray mihintsy ary miseho amin’ny alalan’ny « cirses » miverimberina. Mety ho eo amin’ny faritra ilan’ny loha, nefa tsy voatery, no mitranga ny fanaintainana. Etsy andaniny lasa tsy mahazaka tabataba sy hazavana ihany koa ilay marary fa vao maika mampitombo ny fanaintainany izany.
-Ny aretin’andoha kosa dia fahatsapana marary an-doha fotsiny ihany. Matetika dia tsy misy antony mazava mahatonga azy io satria mety hisy anton-javatra hafa mampihetsika izany, toy ny rarintsaina na ny harerahana.

Ahoana ny atao mba hampitony ny aretin’andoha ?

Ny fihinanana fanafody manala fanaintainana moa no fomba mahazatra hampitoniana ny fanaintainana rehefa marary an-doha. Tsy tsara hoanina matetika nefa ireny fanafody ireny mba hisorohana ireo mety ho vokadratsiny. Raha tsy te hininana fanafody hampitoniana ny aretin’andoha dia misy ireo fomba natoraly azo atao :

Horina ny orina

Fihetsika iray tsotra hampitoniana ny aretin’andoha ny fanorana ny orina. Izany hoe horina moramora amin’ny rantsan-tanana roa ny foton’ny orina sy ny taolan’ny orona. Mandrisika ny fiasan’ny « sinus » ary manampy hampihenana ny « tensions » mitarika aretin’andoha izany.

Mampiasa huiles essentielles

Misy karazana huiles essentielles, toy ny camomille, menthe poivrée sy ny lavande, dia manana fomba fiasa mampitony. Rehefa marary an-doha dia asiana iray amin’ireo huiles essentielles ireo indroa mitete eo amin’ny menaka zavamaniry roa tsongo (diloilo, oliva…) dia atao mifangaro. Io no hanorana moramora ny fehirifa na ny hatoka. Tsy atao tratra ny manodidina ny maso.

Alamina ny fomba fiaina

Manampy betsaka amin’ny fisorohana ny aretin’andoha ny fandaminana ny fomba fiaina. Hatomboka amin’ny fisotroana rano tsara manditra ny tontolo andro izany. Ankoatra izay dia ferana ny fihinanana hena mena ary ampitomboina ny fihinanana legioma maitso. Mampitony ny fanaintainana ihany koa ny fisotroana kafe 1 kaopy kely raha vao manomboka marary iny ny an-doha.

Lire la suite

Articles Similaires