Homamiadan’ny aty : andeha ho fantarina ireo fa fambara
Matetika dia misoko miadana tsy misy fambara ny homamiadan’ny aty ka rehefa tena mandroso lavitra ilay aretina vao hita. Misy ihany nefa ireo soritr’aretina manokana tokony hanaitra sy handrisika hanantona mpitsabo. Mora kokoa ny manasitrana ny homamiadan’ny aty raha hita dieny mialoha. Tsara arak’izany ny mahafantatra ireo fambara tokony hahamailo.
Ireo sotrir’aretin’ny homamiadan’ny aty mateti-pitranga
Anisan’ireo soritr’aretina mateti-pitranga sy mety mifono aretina hafa nefa tokony handrisika hanao fitiliana homamiadan’ny aty ny :
-Fanaitainana eo amin’ny kibo. Matetika izy io dia eo amin’ny faritra havanan’ny kibo ary mety hamaly eny amin’ny soroka havanana ;
-Harerahana lalina sy maharitra. Mahatsiaro vizaka be na dia efa avy naka aina tsara aza ;
-Fihenana lanja tsy niniana. Nihena be tampoka ny lanja nefa tsy misy antony manokana mety nahatonga izany. Fambara fahita amin’ny aretina homamiadana izany, ka anisan’izany ny homamiadan’ny aty ;
-« Jaunisse ». Izany hoe lasa miloko mavo ny hoditra sy ny maso nohon’ny fiandronan’ny « biliburine » ao anatin’ny rà. Fambaran’ny aretin’ny aty moa izany ;
-Maloiloy sy mandoa ;
-Mibontsina ny kibo ;
-Kamokamo sy lasa malaina hanao ireo zavatra tiana teo aloha ;
-Mangidihidy ny vatana.
Ireo soritr’aretina tsy dia fahita nefa manan-danja
Misy ihany koa ireo soritr’aretina tsy fahita firy nefa efa fambaran’ny homamiadan’ny aty efa mandroso lavitra :
-Fanaviana tsy mety miafana izay mety ho fambaran’ny « infection » na « inflammation » mifandray amin’ny homamiadan’ny aty ;
-Fivontosana tsapa tanana. Misy mivonto tsapa eo anivon’ny kibo ;
-Tsy fahatomombanan’ny saina. Lasa kizitina, verivery saina, be fanadinoana… noho ny atao hoe « encéphalopathie hépatique » ;
-Mandeha rà na mangana matetika satria misy olana ny « coagulation » ny rà ka mampisy mangamangana mipoitra ho azy na hoe sarotra sitrana ny ratra.
Raha misy mitranga ny iray na ny maromaro amin’ireo soritr’aretina voalaza ireo dia tsara hatrany ny manantona mpitsabo mba hanatanterahana ny fizahana sy fandraisan-tanana sahaza. Fampahafantarana ireo fambara fotsiny ihany moa ireo fa tsy mahasolo ny fizahana ataon’ny mpitsabo.