Olona tia mamy loatra : Lasa tranon'aretina sady miha-antitra vetivety
Matanjaka tsara, tsy mora fanina sady mavitribitrika ery ny olona rehefa ampy siramamy tsara. Fanao mihitsy aza moa ny manao vatomamy am-paosy raha somary mora reraka. Tsy ratsy akory ny siramamy, saingy mila ferana ny fihinanana azy mba tsy hiteraka voka-dratsy amin'ny fahasalamana.
Manimba ny vatana ny siramamy rehefa be loatra. Mila mahafehy tena izany ny tsirairay. Tsara ho fantatra ireto teboka ireto rehefa tafahoatra ny siramamy ao amin'ny vatana.
Ireo vokadratsin'ny mamy be loatra
Tsy voatery ho hita eo no ho eo akory ny vokadratsin'ny fihinanana siramamy be loatra. Rehefa mandeha nefa ny fotoana, mety hipoitra ny aretina samihafa. Misy kosa nefa ireo olona somary "marefo" ka avy hatrany dia misy fambara rehefa mihoatra ny mamy miditra ny vatana : tsy mipipi, mavomavo sy maina ny hoditra, marary nify, sns
Fahapotehan'ny voa
Miasa be ny voa (reins) rehefa tafahoatra ny siramamy. Miezaka mamokatra pipi hatrany mantsy izy mba hivoahan'ny siramamy amin'ny vatana. Misintona rano be amin'ny vatana izany, ka raha tsy ampy ny rano sotroina dia mety ho "deshydraté". Mety ho potika vetivety ihany koa ny voa. Io taova io nefa no manadio ny rà, ka raha sanatria tsy miasa intsony dia tsy maintsy miroso amin'ny "dialyse" izay andaniana an-tapitrisany maro.
Fahasimban'ny nify
Efa maro tokoa ireo miezaka mitandro ny fahadiovan'ny nify na inona na inona sakafo ankafizina. Rehefa mihinana mamy foana nefa, manambana hatrany ny areti-nify na dia madio tsara foana aza. Mikiky ny "email dentaire", izany hoe ilay fotsifotsy tazana amin'ny nify, ny sakafo na zava-pisotro mamy. Mora kokoa ho an'ny mikroba araka izany ny miditra sy mifikitra amin'ny nify. Tsy hahagaga avy eo ny fahasimban'ny nify.
Fiankinandoha
Lasa "drogue" ny siramamy rehefa ankafizina loatra. Lasa mitady zavatra mamy foana ny vatana, ka tsy te hihinana sakafo matsiro mihitsy. Handà sakafo maro tsy mamy izany ny atidoha. Tena maro ireo olona mihinana mamy foana, na amin'ny sakafo atoandro aza. Na rano sy voankazo somary matsatso aza dia tsy tiana hanina intsony. Manafaingana ny fihavian'ny aretina maro nefa izany.
Fipoirana kentrona, tasy sy teboka ratsy amin'ny hoditra
Manembatsembana ny asan'ny hoditra ny siramamy tafahoatra ao amin'ny vatana. Lasa mitambatra ny "collagène" sy ny "élastine" ka sady lasa maina ny hoditra no mikentrona. Lasa tasy ihany koa ireo loto isan-karazany avy ao anaty. Sarotra nefa ny manala tasy na mamerina indray ny hatsaran'ny hoditry ny tarehy.
Fitomboan-danja tsy voazava
Tsy voatery ny fanaovana fanabeazana aizana na ny fialana amin'ny sigara ihany no mampivoraka tampoka. Raha tia siramamy loatra dia mety hitombo lanja be, amin'ny fotoana tsy ampoizina. Mazava ho azy, tavy ratsy no azo ary mety hiharatsy mihitsy aza ny fahasalamana. Ho an'ireo olona manao "régime" mba hampihena, efa mahafantatra tsara fa mila ajanona mihitsy ny siramamy.
Inona àry ny tokony atao mba tsy hihinana mamy loatra ?
Mila mizatra mihinana zavatra matsatsotsatso ny rehetra, satria ilain'ny vatana ihany ny siramamy (fatra kely). Tsara kokoa raha mandamina fotoana mba hahavita hikarakara ireo sakafo mamy tiana hanina (ranomboankazo, yaourt, mofomamy, sns), mba handanjalanjana ny siramamy hanina. Tokony fadiana ireo ranomboankazo indostrialy sy ireo karazana vatomamy. Azo hanina tsara ny sokolà, saingy amin'ny fatra kely sady tsy hanina matetika.
Kendrena mba sady hihinana mamy no hihinana masira, amin'ny sakafo sy amin'ny ody ambavafo hanina. Raha te hihinana kaonfitira ohatra, mofo dipaina no hihinanana azy fa tsy "madeleine" na "cake". Rehefa mihinana voankazo dia tsy ilaina intsony ny manisy siramamy.
Efa miha-maro ireo sakafo isan-karazany izay tsy ampiasana afa-tsy siramamy natoraly hita eny an-tsena, ka tsara raha izy ireny no tena vidiana sy hanina. Marihana fa azo atao tsara ny mampiasa tantely (vokatra tena izy) hanoloana ny siramamy.