• Cours de change
  • 5096.22 AR
  • |
  • $4467.47 AR
Copyright Image : © Docdusport
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahafatesana tampoka ny mpanao fanatanjahantena : ireo tsara fantatra

04/06/2025 14:16 © Moov.Mg

Tranga mampalahelo sy tsy fahita firy ny fahafatesana tampoka ny mpanao fanatanjahantena na « mort subite du sportif ». Fahafatesana tsy ampoizina mandritra na aorian’ny fikotranana eo amin’ny olona mpanao fanatanjahantena toa salama izy io. Na dia tsy fahita aza ity tranga ity dia tsara hatrany ny mamantatra ny mikasika azy mba hanampy amin’ny fisorohana ny loza.

Inona no atao hoe fahafatesana tampoka ny mpanao fanatanjahantena ?

Ny fahafatesana tampoka ny mpanao fanatanjahantena dia fijanonan’ny fo avy amin’ny olan’ny fo sy ny lalandrà. Mety mitranga izy io mandritra na afaka ora vitsy aorian’ny fanaovana fanatanjahantena. Isan’ny tena mampalahelo amin’izy ity dia matetika ireo tanora sy olona salama ara-batana no hiharany.
Inona no mety ho antony mahatonga ny fahafatesana tampoka ny mpanao fanatanjahantena ?
Maro ireo antony mety mahatonga ny fahafatesana tampoka ny mpanao fanatanjahantena, miankina amin’ny taonan’ity farany.
Eo amin’ireo latsaky ny 35 taona dia ny tsy fahalavorarian’ny fo hatrany am-bohoka na « héréditaires » izay tsy nisy fambara na soritr’aretina namantarana azy no mitarika ity « mort subite du sportif » ity.
Eo amin’ireo mihoatra ny 35 taona kosa dia ny « athérosclérose coronarienne », izany hoe ny fiandronan’ny « plaques de graisse » ao amin’ny « artères coronaires » izay nitarika « infarctus du myocarde » no isan’ireo antony matetika mahatonga azy io. Misy ihany koa ireo anton-javatra hafa, toy ny tosidrà avo, « cholestérol », diabeta, fifohana sigara, fisotroana toaka be loatra…
Ankoatra ireo voalaza ireo dia misy ihany koa etsy andaniny ireo anton-javatra mety mampitombo ny « risques ». Anisan’izany ny fanaovana fanatanjahantena mafy, ny tsy fahampiana rano sy ny « déshéquilibres électroliques », ny fihinana zava-madomelina mahery (drogues dures), ny fanaovana fanatanjahantena nefa misy otrikaretina…

Ireo fomba manampy hisorohana ny « mort subite du sportif »

Anisan’ireo fomba manampy hisorohana ny fahafatesana tampoka ny mpanao fanatanjahantena ny :
Fanaovana fizaham-pahasalamana lalina alohan’ny hanaovana fanatanjahantena mafy na « compétition ». Anisan’ny mila atao ny fanaovana « électrocardiogramme » hitiliana ny fo rehefa tsy mampiasa vatana. Ilaina ihany koa ny mampahafantatra ny mpanao fanatanjahantena, ny mpanazatra sy ny ray aman-dreny mikasika ireo fambara tokony mampanahy sy ny maha zava-dehibe ny fanaraha-maso ny toe-pahasalamana.
Ankoatra izay dia mila mahay mihaino ny vatany tsara ny mpanao fanatanjahantena. Tsy tokony mikotrana rehefa manavinavy na rehefa reraka be loatra. Tsy adinoina ny mihinana sakafo ara-pahasalamana, ny misotro rano tsara, ny fifadiana sigara sy ireo zavatra mety hanimba ny fahasalaman’ny fo sy ny lalandrà amin’ny ankapobeny.

Lire la suite

Articles Similaires