Tsy fahatomombanan’ny fikorian’ny rà : ireo tsara fantatra mikasik’izany
Maro tokoa ny olona voakasiky ny tsy fahatomombanan’ny fikorian’ny rà na hoe « mauvaise circulation sanguine ». « Jambes lourdes », fanaintainan’ny vanintaolana, varisy, harerahana, fanimpanina… maro ireo fiantraikan’ity olana eo amin’ny fikorian’ny rà ity. Andeha ary ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasika ny tsy fahatomombanan’ny fikorian’ny rà.
Inona no maha zava-dehibe ny fahatomombanan’ny fikorian’ny rà ?
Ny fikorian’ny rà na « circulation sanguine » dia ny fitaterana sy ny fifampivezivezena ny rà ny manerana ny vatana iray manontolo. Ny fo no mandrisika sy mibaiko azy io ary ny lalandrà no miantoka ny fitaterana ny rà. Avy amin’ny rà no ahazoan’ny taova ny « oxygène » sy ireo otrikaina ilaina amin’ny fiasan’ireo sela sy ireo lalandrà mitondra ireo loto hanadiovana ireo taova lehibe. Arak’izany dia zava-dehibe miantoka ny fiasan’ny vatantsika iray manontolo ny fahatomombanan’ny fikorian’ny rà. Raha tsy mikoriana tsara ny rà dia mety hisy fiantraikany ratsy maro eo amin’ny vatana sy ny fahasalamana.
Ireo antony mety manakorontana ny fikorian’ny rà
Maro ireo antony mety mahatonga ny tsy fahatomombanana eo amin’ny fikorian’ny rà. Anisan’izany ny :
-Tsy fahampian’ny fanetsiketseham-batana. Ny fipetrahana maharitra loatra (7 ora isan’andro), ny fidabohana ela loatra, ny tsy fanaovana fanatanjahantena matetika… dia isan’ireo antony lehibe mety manakorontana ny fikorian’ny rà ;
-Hatavezana diso tafahoatra izay mety hisy fiantraikany eo amin’ny fikorian’ny rà ao amin’ireo lalandrà satria mety hanentsina ireto farany ny tavy. Ankoatra izay dia ny vesatra entin’ny tavy dia mety hamparefo ny « système veineux » ;
-Fihinanana sakafo matavy be loatra na mitahiry akora simika dia mety hanentsina ny lalandrà ;
-Fototarazo ;
-Fifohana sigara satria mety manimba ny lalandrà izany ;
-Anton-javatra mandalo, toy ny dia (voyage) lavitra, indrindra raha mafana be ny andro.
Ireo fambaran’ny tsy fahatomombanan’ny fikorian’ny rà
Anisan’ireo fambara lehibe ahafantarana ny tsy fahatomombanan’ny fikorian’ny rà ny :
-« Jambes lourdes », izany hoe mivonto ny ranjo sy ny tongotra. Mba hampitoniana azy io dia afaka atao miainga ambony ny tongotra, manao « bas de contention » na koa asiana zavatra mangatsiaka eo amin’ilay faritra mivonto ;
-Fivontosana eo amin’ny tongotra na ny ranjo miaraka amin’ny fahatsapana mavaivay na manaintaina, indrindra rehefa mafana ny andro ;
-« Phlébite » izay fahatsentsenan’ny lalandrà vokatry ny fisian’ny vaingan-drà. Lasa manaintaina, mivaramena sy mafimafy ilay faritra voakasik’izany ;
-« Fourmillement » na volivoly eo amin’ny tanana na ny tongotra. Mety maharitra minitra maro na ora maro izany ;
-Hidihidy ary mety misy mandrotsirotsy eo amin’ny vatana ;
-Krampy sy fanaintainana eo amin’ny vanintaolana ;
-Harerahana tsy mahazatra.
Ahoana no tokony atao manoloana izany ?
Raha manana olana amin’ny tsy fahatomombanan’ny fikorian’ny rà dia tsara hatrany ny manantona mpitsabo mba hahazo ny fizahana ara-pahasalamana sy ny fitsaboana sahaza mba hisorohana ny fahasarotana ara-pahasalamana mety aterak’izany. Misy ihany koa ireo torohevitra manampy hiadiana amin’ity « mauvaise circulation sanguine » ity, toy ny :
-Fialana sigara sy ny fampihenana ny fisotroana toaka ;
-Fihinanana sakafo ara-pahasalamana sy fisotroana rano tsara ;
-Fampihetsiketseham-batana matetika ;
-Fiadiana amin’ny rarintsaina.