Fahadiovana : tsara kokoa ve ny mandro maraina sa hariva ?
Antoka lehibe ny fahadiovana ny fandroana. Araka ny nambaran’ireo mpitsabo manokana ny hoditra dia mila mandro indray mandeha ary misasa indray mandeha isan’andro mba hitandrovana ny fahadiovan’ny vatana sy hisorohana ny fofon-katsembohana. Inona ary no tsara kokoa, mandro maraina sa hariva ?
Ireo antony maha tsara ny mandro maraina
Samy manana ny lafin-tsarany avokoa na ny mandro maraina na ny mandro hariva. Anisan’ireo tombontsoa azo amin’ny fandroana maraina ny :
-Fifohazana tsara sy fananana hery hiatrika ny tontolo andro. Ny fandroana maraina tokoa mantsy dia mandrisika ny fikorian’ny rà ka mampifoha tsara ny vatana sy ny saina ary mampazoto ny vatana ;
-Fanesorana ireo loto niangona nandritra ny alina. Rehefa matory isika amin’ny alina dia mamoaka menaka sy hatsembohana ny vatantsika. Ankoatra izay dia misy « cellules mortes » miangona eo amin’ny hoditra. Ny fandroana maraina no manala ireny loto ireny ary mampatsapa antsika madio sy maivamaivana mandritra ny tontolo andro ;
-Fanalana ireo menaka be loatra amin’ny hoditra eo amin’ireo olona manana « peau grasse » na koa be mony. Tsara kokoa ny mandro maraina mba hanesorana ireo menaka be loatra nivoaka teo amin’ny hoditra nandritra ny alina sy ireo bakteria mety entin’izany mba hisorohana ny mony.
-Fanamafisana ny hery fiarovana. Misy ireo vokam-pikarohana manambara fa ny fandroana maraina, indrindra amin’ny rano mangatsiaka, dia manampy amin’ny fandrisihana ny famokaran’ny vatana « globules blancs », izay manamafy ny hery fiarovana.
Ireo lafin-tsaran’ny fandroana amin’ny hariva
Toy ny fandroana amin’ny maraina dia maro ihany koa ireo vokatsoa azo amin’ny fandroana ny hariva:
-Mampitony sy manatsara ny torimaso. Ny fandroana amin’ny hariva dia manampy hampitoniana ny hozatra, hampihenana ny rarintsaina ary handaminana ny saina. Izany dia manomana ny vatana mba hatory tsara. Mora mampahita tory ihany koa ny fidinana kely eo amin’ny hafanan’ny vatana rehefa avy mandro ;
-Manadio ireo loto niangona nandritra ny tontolo andro. Mandritra ny andro dia iandronan’ny loto samihafa ny hoditra, toy ny hatsembohana, ny vovoka, ny « allergènes »… Manala ireo loto ireo ny fandroana amin’ny alina ary tena mety amin’ireo olona misy « allergies » ;
-Mitsinjo ny fahadiovan’ny fandriana. Rehefa madio tsara mandeha matory dia tsy mamindra loto eo amin’ny lambam-pandriana sy ny lamba firakotra.
Fehiny
Samy mety avokoa na ny mandro amin’ny maraina na amin’ny hariva. Miankina amin’ny fahazarana, ny toe-batana sy ny mampahazo aina moa no hanatanterahana izany. Tsara hatrany nefa ny misasa raha tsy mandro amin’ny hariva na amin’ny alina mba hisorohana ny fofon-katsembohana.