Olona tsy ampy rano na « déshydraté » : ireo fambara tsara fantatra
Isan’ireo zava-dehibe miantoka ny fahasalamantsika sy ny fiasan’ny taovantsika ny rano. Ny tsy fahampiana rano na ny « déshydratation » dia miteraka fikorontanan’ny fahasalamana ary mety mitarika amin’ny fahafatesana raha tsy voaray antanana ara-potoana. Andeha ary ho fantarina ireo fambara ahafantarana fa tsy ampy rano ny olona iray.
Inona no atao hoe « déshydratation » na tsy fahampiana rano amin’ny vatana ?
Raha azavaina amin’ny fomba tsotra ny atao hoe « déshydratation » dia ny fahaverezan’ny rano sy ny « sels minéraux » be loatra eo amin’ny vatana. Ireo singa roa ireo nefa dia mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiasan’ny vatantsika iray manontolo. Maro ireo anton-javatra mety mahatonga ny tsy fahampiana rano amin’ny vatana, toy ny hatsembohana be rehefa manavy, ny fahaverezan-drano be rehefa mandoa sy mivalana…
Ahoana ary ireo fambara ahafantarana fa tsy ampy rano ny olona iray ?
Mila fanaraha-maso ary fandraisan-tanana ara-potoana ny tsy fahampiana rano ao amin’ny vatana mba hisorohana ny mety ho fahasarotana atarek’izany. Anisan’ireo fambaran’ny « déshydratation » tokony hahamailo ny hoe :
Mihamaina ny molotra sy ny ativava. Rehefa tsy ampy rano tokoa mantsy ny vatana dia mihena ny famokarana rora. Ity farany moa no manamandina ny ativava, ny molotra sy ny tenda. Lasa mahatsiaro mangetaheta be mihoatra ny mahazatra ary makiana tsy mampahazo aina ny molotra.
Rera-dava sy kamokamo. Mitarika tsy fahatomombanana eo amin’ny fikorian’ny rà ny tsy fahampiana rano ao amin’ny vatana. Raha izany no mitranga dia lasa tsy tonga any amin’ireo taova ny « oxygène » sy ireo otrikaina ilain’izy ireo ka mahatonga azy tsy miasa tsara ara-dalàna. Noho izany dia lasa mahatsiaro rera-dava sy kamokamo ny vatana.
Maina sy mena ny maso. Ny maso dia isan’ireo faritra amin’ny vatana tena mila rano lalandava. Ny tsy fahampiana rano dia mampihena ny « oxygénation » mankany amin’ny maso. Raha izany no mitranga dia lasa mora maina ireo « canaux lacrymaux » izay mitondra hamandoana ao amin’ny maso ka mahatonga ity farany ho maina sy menamena.
Manaintaina ny hozatra. Ny rano no isan’ireo singa tena mameno ny hozatra. Raha toa ka tsy ampy rano ny vatana dia mihena ny hozatra ka lasa mikasika amin’ny taolana. Io fifampikasohana io dia mety mahatonga fanaintainana amin’ny hozatra.
Ny fambaran’ny « déshydratation sévère »
Atao hoe tratry ny « déshydratation sévère » ny olona iray raha toa ka maharitra loatra ny tsy fahampiana rano eo amin’ny vatana. Lasa mety miteraka fahasarotana ara-pahasalamana izany ary mety mahafaty raha tsy voatsabo ara-potoana. Anisan’ireo fambaran’ny « déshydratation sévère » ny hoe :
-Tsy mivalan-drano mandritra ny adiny 6 ora ny zaza na 8 ora ny ankizy na lehibe ;
-Milentika ny loha malemy eo amin’ny zaza ;
-Mangatsiaka sy mangana ny hoditra ary tsy miverina mitsotra malaky rehefa tsongoina kely ;
-Kizitina sy te hatory lava ;
-Mangetaheta mafy ;
-Miaina haingana be ;
-Tsy misy ranomaso intsony ;
-Fanina sy marary an-doha ary mety ho safotra.
Fitsaboana
Raha mahatsapa na mahatsikaritra fambaran’ny tsy fahampiana rano dia mila misotro rano betsaka ary mampitombo malaky ny « sels minéraux » ao amin’ny vatana. Afaka atao ny misotro SRO na iray sy valo, indrindra raha mandoa sy mivalana. Raha manao « déshydratation sévère » dia mila manantona toeram-pitsaboana avy hatrany.