Mangahazo : Hanikotrana tena mahasalama !
Tsy sakafon'ny tambanivohitra na ny tsy manan-katokona velively ny mangahazo. Hanikotrana natao ho an'ny rehetra izy io, satria mahasoa ny fahasalamana. Azo lazaina fa takatry ny rehetra ny vidiny, sady maro ireo fomba azo ikarakarana azy.
Mahatsara ny fiasan'ny atidoha sy ny maso
Maro be ireo singa mahasoa ao anatin'ny mangahazo : Vitamina A/B/C/E, magnésieum, sels minéraux, calcium, zinc, sns. Mampikoriana tsara ny rà io sakafo io sady manatsara ny fiasan'ny atidoha sy ny maso. Manampy ny olona amin'ny fandaminan-tsaina ihany koa izy ka anisan'ny sakafo mahatsara torimaso, indrindra ho an'ireo tsy mety mahita tory na mifoha maraina loatra na tapaka torimaso matetika.
Mampatanjaka
Amin'ny maha-hanikotrana azy, mampitombo ny herim-batana. Izany no mahatonga azy tena ankafizin'ireo olona miasa vatana, toy ireo mpiasa tanimbary any ambanivohitra ohatra. Tsy mifidy taona sy saranga sy asa atao nefa ny mangahazo. Samy misitraka tombontsoa maro avokoa ireo mpihinana azy. 70%-n'ny singa ao anatiny mantsy dia gliosida avokoa, ka azo antoka fa manala havizanana sady mampatanjaka. Raha mandeha tongotra matetika na manao fanatanjahan-tena, tokony mihinana mangahazo indray mandeha isan-kerinandro farafahakeliny.
Araka ny valim-pikarohana nataon'ireo manam-pahaizana, miaro ny olona amin'ny "anemie" ny fihinanana mangahazo. Mahasoa ny mpivady maniry ny hiteraka ihany koa izy.
Matsiro
Na andrahoina amin'izao aza dia tsara fona ny tsiron'ny mangahazo. Azo atao tsara ny manampy siramamy sy ronono raha ilaina. Sakafo tena ankafizin'ny Malagasy maro ihany koa ny "Mangahazo au coco", izany hoe andrahoina amin'ny ranona voanio ny mangahazo. Azo atao amin'ny lasopy legioma ihany koa ny mangahazo, na anamboarana mofomamy/ mofo endasina isan-karazany.