« Syndrome prémenstruel » : ireo tsara fantatra mikasik’izany
Ny « syndrome prémenstruel » dia fitambarana fambara ara-batana sy ara-pihetseham-po miseho eo amin’ny vehivavy mandritra ny iray na roa herinandro mialohan’ny fahatongavan’ny fadim-bolana. Miankina amin’ny vehivavy tsirairay ny hamafy sy ny fisehon’ireo fambara ireo. Mety ho manelingelina izany amin’ny sasany fa mety tena hampijaly kosa amin’ny hafa.
Ny fisehon’ny « syndrome prémenstruel »
Araka ny voalaza teo ambony dia miseho amin’ny alalan’ny fambara maro karazany ny « syndrome prémenstruel » ka anisan’izany ny hoe :
-Mangotika, toy ny misy rivotra ny kibo ;
-Manaintaina eo ambany kibo noho ny « crampes » vokatry ny fikainkonan’ny tranon-jaza ;
-Vizaka ;
-Mizihitra ny nono ary manaintaina ny nono rehefa voakasika ;
-Marary andoha ;
-Tsy mahita-tory ;
-Maloiloy ;
-Kizitina na mora tohina ;
-Sahirana mifantoka.
Marihana fa mety miovaova ireo fambaran’ny « syndrome prémenstruel » ireo miankina ny taona, ny fomba fiaina na koa ny foto-tarazo.
Ireo antony mahatonga ny « syndrome prémenstruel »
Mbola tsy voafaritra mazava hatreto ny antony mahatonga ny « syndrome prémenstruel ». Misy kosa nefa ireo anton-javatra mety mampisy ireo fambara ireo, toy ny :
-Fiovan’ny hormonina ;
-Tsy fahazakana adin-tsaina sy rarintsaina ;
-Tsy fahampiana vitamina sy mineraly, toy ny magnésium, vitamine B6 na kalsioma ;
-Foto-tarazo, izany hoe nolovaina tamin’ny reny, renibe…
Ireo torohevitra hampitoniana ny « syndrome prémenstruel »
Tsy afaka sorohana tanteraka ny « syndrome prémenstruel ». Misy ihany nefa ireo torohevitra manampy mba hampitoniana ireo fambaran’izany ka anisan’izany ny :
Fihinanana sakafo ara-pahasalamana ary ferana ny fihinanana zavatra mamy na masira be. Ahena ihany koa ny kafe ;
Fanaovana fanantanjahantena mba hampihena ny « crampes » sy hampitoniana ny saina.
Raha tena tsy zaka ireo fambaran’ny « syndrome prémenstruel », indrindra ny fanaintainana dia azo atao ny manantona mpitsabo. Ity farany dia afaka manome fanafody sahaza izany.