Fahasalamana : ‘Ndeha ho resahana ny mikasika ny « rupture d’anévrisme »
Ny « rupture d’anévrisme » no aretin’ny fo sy ny lalan-drà fahatelo mahafaty indrindra aorian’ny « infarctus » sy ny « AVC ». Mitranga tampoka izy io ka miteraka « hémorragie » ao anatin’ny vatana miaraka amin’ny soritr’aretina mafy. Mahafaty raha tsy voaray an-tanana malaky. Fa inona tokoa moa ny « rupture d’anévrisme » ? Inona no mety mahatonga azy ? Inona avy ireo fambara ? Ahoana ny fitsaboana azy ?
Inona no atao hoe « rupture d’anévrisme » ?
Ny « anévrisme » dia manambara fihitarana tsy ara-dalàna eo amin’ny ampahany iray amin’ny lalan-drà. Marihana moa fa ireo karazana lalandrà atao hoe « artères » dia voarafitra sosona telo. Rehefa miha-malemy ilay sosona afovoany dia mihitatra ilay lalan-drà ka rehefa lasa miha-lehibe loatra io fihitarany io dia mety ho vaky, ka izay no atao hoe « rupture d’anévrisme ».
Misy karazany maro moa ireo faritra amin’ny vatana mety hitrangan’ny « rupture d’anévrisme » ka anisan’izany ny ao amin’ny loha, ny tratra sy ny kibo (abdomen). Rehefa misy ilay fahavakisana eo amin’ilay faritry ny lalandrà manao « anévrisme » dia miparitaka eo amin’ny manodidina azy ny rà, izany hoe manao « hémorragie », ka izay no mety mitarika amin’ny fahafatesana raha tsy voaray an-tanana malaky.
Ireo antony mety mahatonga ny « rupture d’anévrisme »
Maro ireo anton-javatra mety mahatonga ny « rupture d’anévrisme » ka anisan’izany ny :
-Tosi-drà avo, indrindra ny fiakaran’ny tosi-drà avo be tampoka ;
-Diabeta ;
-Fifohana sigara ;
-Hatavezana ;
-« Cholestérol » ;
-Rarintsaina ;
-Fisian’ny havana akaiky (ray, reny, raibe, renibe, iray tampo) efa nanao « rupture d’anévrisme ».
Ireo fambaran’ny « rupture d’anévrisme »
Amin’ny ankapobeny dia tsy misy fambara manokana miseho ny « anévrisme » na ny fihitaran’ny ampahany iray eo amin’ny lalan-drà. Ny fahavakisan’izany na ny « rupture d’anévrisme » kosa nefa dia tranga iray tampoka sy mafy miseho miaraka amin’ny :
-Aretin’andoha marary loatra sy tampoka be ;
-Fihenjanan’ny hatoka ;
-Fihenan’ny fahitana ;
-Maloiloy sy mandoa ;
-Tsy fahazakana hazavana sy tabataba ;
-Fikorontanan’ny loha, tsy mahatana « équilibre » na tsy mahavita miteny tsara ;
-Torana na mety hanao « coma » ;
-Fanaintainana ao amin’ny vavony na ny lamosina raha tratry ny « rupture d’anévrisme abdominale ».
Inona no fitsaboana azo atao ?
Mila fandraisana an-tanana haingana dia haingana na hoe « urgence médicale » ny fitsaboana ny « rupture d’anévrisme ». Izany dia mifantoka indrindra amin’ny fampijanonana ny fandehanan’ny rà sy mba hisorohana ireo fahasarotana. Anisan’ireo fitsaboana azo atao ny :
-« Traitement endovasculaire », izany hoe anatsofohana « cathéter » ao anatin’ilay lalan-drà mba hahatongavana eo amin’ilay « anévrisme » sy mba hanentsemana izany.
-Fandidiana, izany « pincé » na « clipé » ilay faritry ny lalan-drà manao « anévrisme » mba hanakanana ny rà tsy hiditra ao.