Fahasalamana : ‘ndeha ho resahana ny mikasika ny hodi-potsy
Aretin-koditra isan’ny mahavoa olona maro eto Madagasikara ny hodi-potsy. Mora mihanaka eo amin’ny vatana izy io matetika ary azo lazaina ho manaratsy endrika tokoa. Fa inona tokoa moa ny hodi-potsy ? Ahoana ny fomba atao hanalana azy ireny ?
Inona no atao hoe hodi-potsy ?
Ny hodi-potsy, na ny « pityriasis versicolor », dia aretin-koditra vokatry ny atao hoe « levure Malassezia ». Miendrika toy ny tasy miloko fotsy na somary mavokely eo amin’ny hoditra moa ny hodi-potsy ka eo amin’ny tenda, ny tarehy, ny soroka, ny lamosina, ny tratra ary ny sandry matetika no misy azy.
Aretina tsy dia atahorana hisy fahasarotana loatra izy io ary tsy mamindra amin’ny hafa. Manaratsy ny endriky ny hoditra kosa nefa ny fisiany ary indraindray toa tsarain’ny hafa ho havoretrana izany. Azo sitranina tsara ara-panafody amin’ny alalan’ny « traitement antifongique » moa ny hodi-potsy. Misy ihany koa ireo torohevitra natoraly afaka ampiasaina hanakanana azy ireny tsy hiombo.
Ireo fikafika natoraly hanakanana ny hodi-potsy tsy hiombo
Araka ny voalaza teo ambony dia mora mihombo sy mihanaka ny hodi-potsy raha avela fotsiny eo. Misy kosa nefa ireo fikafika natoraly manampy mba hanakanana izany fihombony izany. Marihana kosa nefa fa tsy mahasolo ny fitsaboana ny hodi-potsy akory ireto torohevitra manaraka ireto raha toa ka efa miparitaka be sy mila « traitement » ara-panafody ny fanasitranana tanteraka izany.
Ranomasina
Mandaitra amin’ny fiadiana amin’ny hodi-potsy ny ranomasina noho izy manana fiasa « antiseptique ». Ireo singa mandrafitra ny ranomasina dia miasa amin’ny fiadiana amin’ny « champignons » ka mahatonga azy mandaitra amin’ny fanesorana ny tasy amin’ny hoditra. Ho an’ireo mipetraka eny amin’ny morontsiraka dia manampy amin’ny fampitoniana ny hodi-potsy ny fandroana matetika amin’ny ranomasina. Azo atao koa ny milona matetika anaty rano nasiana sira vaingany iray tanana mandritra ny 20 minitra ho an’ireo lavitry ny ranomasina.
Fengalala na « mitracarpus scarber »
Ny fengalala na ialay antsoina amin’ny anarana siantifika hoe « mitracarpus scaber » dia raokandro iray mitondra vokatsoa maro eo amin’ny fahasalamana, indrindra eo amin’ny fahasalaman’ny hoditra. Araka ny voka-pikarohana nataon’ny mpikaroka dia voalaza fa misoroka ny fiverenan’ny hodi-potsy ny fampiasana azy io. Izany hoe rehefa vita ny fitsaboana ara-panafody nanasitranana ny hodi-potsy dia mampiasa menaka vita amin’ny fengalala eo amin’ireo faritra nisy tasy mba tsy hiverenan’izany intsony. Azo atao ihany koa ny mitoto ny ravina fengalala ary io no apetaka eo amin’ny hoditra. Avela hilona kely dia kobanina.
Vinaigre de cidre
Ny vinaigre de cidre dia manampy amin’ny fandanjalanjana ny « pH » ny hoditra noho izy manana fiasa « antifongique » natoraly. Miasa amin’ny fanakanana ny fipariahan’ny « champignons » eo amin’ny hoditra ihany koa izy io, ka anisan’izany ny « champignons » mahatonga ny hodi-potsy. Mba hampitoniana ireo faritra misy hodi-potsy ary dia osorana vinaigre de cidre amin’ny alalan’ny coton na compresse eo amin’izany. Azo atao ihany koa ny mandraraka vinaigre de cidre 2 na 3 kaopy anatin’ny rano hikobanana rehefa avy mandro.