Ireo vokatsoa azo amin’ny fisotroana ranona voatabia (jus de tomate)
Voankazo manankarena vitamina, mineraly ary « antioxydants » ny voatabia. Voatahiry avokoa ireo otrik’aina entiny rehefa hanina manta izy ireny na rehefa atao ranom-boankazo. Matsiro ary mitondra vokatsoa maro ho an’ny vatana sy ny fahasalamana ny ranona voatabia na « jus de tomate », araho eto ange e !
Miaro amin’ny fahasimban’ny sela ao amin’ny vatana ny ranona voatabia
Ahitana « antioxydants », toy ny « lycopène » ao anatin’ny voatabia. Ny « lycopène » dia miasa betsaka amin’ny fiarovana ny sela amin’ny vokadratsy ateraky ny « radicaux libres ». Ireto farany moa dia mandrisika ny fipoitran’ny aretina toy ny homamiadana, ny aretin’ny fo sy ny lalan-drà, ny aretin’ny atidoha… Mampihena ny risika mety hahavoa ireo aretina voalaza ireo ny fisotroana ranona voatabia matetika.
Manatsara ny fahasalaman’ny taolana
Manankarena « potassium » ny ranona voatabia. Ny « potassium » dia mineraly iray manan-danja amin’ny fahasalaman’ny taolana. Manampy betsaka amin’ny fampihenana ny fahaverezan’ny kalsioma ao amin’ny voa ihany koa izy io ka manamafy ny taolana. Ankoatra izay dia mandray anjara betsaka amin’ny fisorohana ny aretin’ny taolana, toy ny « ostéoporose » ny fahazotoana misotro ranona voatabia.
Manampy amin’ny fandevonan-kanina
Ny ranona voatabia ihany koa dia mitahiry « fibres » amin’ny tahany ambony. Ireto farany dia miasa betsaka amin’ny fandevonan-kanina. Ankoatra ny fandrindrana ny fandevonan-kanina dia manampy amin’ny fisorohana ny « constipation » ihany koa izy ireny. Singa iray manome fahatsapana fahavokisana ihany koa moa ny « fibres ». Noho izany dia manampy amin’ny famerana ny hanoanana sy ny fitomboana lanja ny fisotroana ranona voatabia.