Fomba tsotra hanaovana « boulettes de poisson »
Sakafo matsiro ary azo ampiasaina anaty karazana nahandro maro, toy ny lasopy, ny « boulette de poisson ». Azo vidiana vita moa izy ireny nefa hafa ihany ny manamboatra azy ao an-trano. Araho ary ny fomba fanaovana azy.
Ireo zavatra ilaina raha hanao « boulettes de poisson »
-Nofon-trondro 1 kg ;
-Tongolo 1 ;
-« Maïzena » 2 sotro fihinanana ;
-Atody 1 ;
-Kotomila sy tongolo maitso ;
-« sauce huître » 2 sotrokely ;
-« sauce soja » 2 sotrokely ;
-Sira ;
-Dipoavatra.
Fomba fikarakarana azy
Potehina anaty « mixeur » ny nofon-trondro miaraka amin’ireo akora rehetra dia ny tongolo, ny « maïzena », ny atody, ny kotomola sy tongolo maitso, sira, dipoavatra, « sauce huître » sy ny « sauce soja ». Ajanona rehefa mahazo fangaro malemy sy malama tsara.
Afanaina eo ambony afo ny vilany misy rano. Maka « bol » lehibe na « saladier » hasiana rano mafana. Ampiasaina hanatsoboana ny tanana isaky ny avy mamolavola ilay « boulette » mba tsy hiraikitra amin’ny tanana.
Alaina tsikelikely ny fangaro namboarina teo ary volavolaina atao boribory, toy ny manao henabaolina. Atsoboka ao anatin’ilay rano mafana ny tanana isaky ny avy namolavola « boulette ». Atao izay hatrany hatrany.
Rehefa vita dia arotsaka ao anaty rano mafana, tsy mangotraka, ireo « boulettes » ary avela ho masaka ao mandritra ny 20 minitra na izay fotoana maha masaka azy, arakaraky ny habeny moa ny fotoana hamasahany. Tehirizina ao anaty vata fampangatsiahana ny « boulettes de poisson » raha mbola tsy ampiasaina avy hatrany.