• Cours de change
  • 5096.73 AR
  • |
  • $4453.75 AR
Copyright Image : © Familiprix
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Cirrhose du foie » : ireo tsara fantatra mikasika ity aretina ity

11/06/2025 14:50 © Moov.Mg

Ny « cirrhose du foie » dia areti-mandoza mahazo ny aty ka manimba azy io. Tsy mety harenina intsony moa ny aty tratr’ity aretina ity ary mety hahafaty mihintsy moa ity farany. Eto Madagasikara dia tombanana an’aliny maro ny olona voan’ny « cirrhose » isan-taona. Mbola maro moa ny tsy mahafantatra ity aretina ity eto amintsika ka andeha resahana eto ireo tsara fantatra mikasika azy io.

Inona no atao hoe « cirrhose du foie » ?

Ny aty dia manana anjara asa lehibe amin’ny fiasan’ny vatantsika. Anisan’izany ny fanesorana ireo « toxines » ao anaty vatana, ny famokarana ny « protéines » ary ny fandrindrana ny tahan’ny siramamy anaty rà. Mitranga ny « cirrhose » rehefa simba matetika ny aty na rehefa simbain’ireo zavatra hafa toy ny fisotroan-toaka maharitra, « hépatite virale », « stéatose hépatique non alcoolique » na vokatry ny aretina « auto-immunes » na « génétiques » sasany.
Isaky ny miezaka manandrana manasitranana ny tenany ny aty dia mamorona olatra « fibreuses ». Ireo olatra ireo dia manolo ny « tissu hépatique » salama ka lasa manakana ny tosiky ny rà mankany amin’ny aty. Izany dia mampihena fahafahan’ny aty miasa tsara ka mahatonga fiandronan’ny « toxines » sy singa hafa mety manimba ny vatana.

Ireo soritr’aretina sy fambaran’ny « cirrhose »

Amin’ny voalohany dia mety tsy ahitana soritr’aretina na fambara ny « cirrhose du foie ». Rehefa mihombo tsikelikely ilay aretina dia mihena ny fiasan’ny aty ary lasa misy soritr’aretina miseho, toy ny hoe :
-Vizaka sy malemilemy ;
-Malain-komana sy miha mahia ;
-Maloiloy sy mandoa ;
-« Jaunisse » na hoe lasa miloko mavo ny hoditra sy ny maso ;
-Mangidihidy ny hoditra ;
-Mivonto ny ranjo, kitrokely, ny kibo vokatry ny fiandronan’ny rano ;
-Mangana ho azy ary mandeha rà ;
-« Encéphalopathie hépatique » izany hoe mikorontana ny loha, verivery tadidy, miova ny « personnalité » vokatry ny fiangonan’ny « toxines » ao amin’ny atidoha ;
-Miendrika ala (araignée) ny lalandrà eo amin’ny hoditra.

Ireo antony lehibe mety mahatonga ny aretina

Na dia maro ary ireo anton-javatra mety mahatonga « cirrhose » dia isan’ireo antony lehibe mitarika azy io ny :
-Fisotroana toaka be sy maharitra ka miteraka aretin’ny aty vokatry ny toaka ;
-« Hépatite chronique B » na « Hépatite chronique C » ;
-« Stéatose hépatique non alcoolique (NASH) » ;
-« Hépatite auto-immune » ;
-« Hémochromatose » izay aretina « génétique » miteraka fiangonan’ny « fer » be loatra ao anatin’ny vatana.

Fitsaboana sy fandraisana an-tanana

Araka ny voalaza teo ambony dia azo arenina ny aty tratry ny « cirrhose », noho izany dia tsy misy fanafana ity aretina ity. Ny fitsaboana na ny fandraisana an-tanana azy dia miompana amin’ny fanakanana ny fihombony, ny fisorohana ireo mety ho fahasarotana ara-pahasalamana aterany ary ny famehezana ireo soritr’aretina. Anisan’ireo zavatra atao ary ny ;
-Fialana toaka ;
-Fihinanana fanafody mitsabo ny « hépatite », ny « maladies auto-immunes » na ho fifehezana ireo soritr’aretina ;
-Fanovana ny fomba fiaina, indrindra ny fanenana vatana raha ngeza loatra, fihinanana sakafo ara-pahasalamana, fanaovana fanatanjahantena ;
-« Greffe de foie » raha toa ka tena tsy miasa intsony mihintsy ny aty.

Lire la suite

Articles Similaires