• Cours de change
  • 5096.73 AR
  • |
  • $4453.75 AR
Copyright Image : © Taussat
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo fambaran’ny fahaketrahana eo amin’ny lehilahy

10/06/2025 14:36 © Moov.Mg

Samy mety tratry ny fahaketrahana na « dépression » avokoa na lehilahy na ny vehivavy. Mety hiseho amin’ny fomba samihafa amin’ireo famantarana mahazatra ity fikorontanana ara-tsaina ity eo amin’ny lehilahy. Mba hamatarana mialoha azy ity ary dia andeha ho resahana eto ireo fambaran’ny fahaketrahana eo amin’ny lehilahy.

Ny antony mahatonga ny fahasamihafan’ny fambaran’ny fahaketrahana eo amin’ny lehilahy

Aretina sarotra iray mahavoa olona aman-tapitrisany maneran-tany ny fahaketrahana na « dépression ». Matetika izy io dia miseho amin’ny fambara mazava toy ny halahelo lalina sy ny famoizam-po. Eo amin’ny lehilahy dia tsy hita taratra be ireo fambara ireo ary mety ho miafina àry. Izany dia noho ny tahotry ny fijerin’ny fiaraha-monina sy ny fitiavana te hijoro ho lehilahy mafy sy mahafe ny toe-po. Ilaina nefa ny mamantatra ireo fambaran’ny fahaketrahana mba hahafahana mikaroka ny fitsaboana sahaza sy hisorohana ny fahamoizam-po lalina mety mitarika any amin’ny famonoan-tena.

Ireo fomba fisehon’ny fahaketrahana eo amin’ny lehilahy

Anisan’ireo fambaran’ny fahaketrahana eo amin’ny lehilahy ary mety miseho amin’ny endriny samihafa ny :
-Fahakizitinana sy ny hatezerana mafy. Matetika ny lehilahy tratry ny fahaketrahana dia tsy mitomany fa lasa kizitina, mora sosotra ary mety hanao fehetsika mahery manoloana ny toe-javatra madinika ;
-Fihetsika mety mamoa-doza sy tsy ampiheverana. Misy amin’ireo lehilahy sasany no lasa manao fihetsika mety mamoa-doza na tsy ampiheverana hiadiana amin’ny fihetseham-pony anatiny. Mety izy hisotro toaka be na handray zava-mahadomelina mahery, hiloka be, hanaonao foana rehefa mamily fiara na kodiaran-droa… ;
-Fitokana-monina. Mety izy tsy hifanerasera amin’ny namany sy ny fianakaviana ary tsy hanao intsony ireo « activités » tiany taloha. Tiany kokoa ny mitoka-monina, manao « activités » atao samirery toy ny fijerena fahitalavitra mandritra ny ora maro, miasa be… mba tsy hiatrehana ny fihetseham-pony ;
-Fambara-ara-batana tsy fanta-pihaviana. Ny fahaketrahana dia mety hisy soritr’aretina ara-batana. Ny lehilahy tratr’izany dia mety hitaraina marary an-doha lava, marary lamosina, marary kibo, rera-dava… nefa tsy misy antony ara-pahasalamana mety mahatonga izany ;
-Fahasahiranana amin’ny asa na ny fianarana. Lasa mihena ny « performance », tsy ampy ny fifantohana, sahirana mandray fanapahan-kevitra, mitombo ny fanapatapahana… Mety mampihombo na mitarika fahasarotana ihany koa ny fahaketrahana avy amin’ny asa ;
-Fahatsapana tsy fahombiazana, very fanantenanana na fahabangana. Marina fa tsy milaza ireo fahatsapana ireo mazava ny lehilahy tratry ny fahaketrahana nefa kosa dia mety hahatsapa izany izy ary mivesatra mafy ao aminy izany ;
-Fiovan’ny fahazarana ara-torimaso sy fahazotoan-komana. Fambara matetika fahita ny hoe lasa tsy mahita tory intsony na lasa matory be loatra. Mety misy ihany koa ny fiovana be eo amin’ny fisakafoanana, izany hoe lasa tsy mazoto homana intsony na lasa mahery misakafo loatra ;
-Famoizam-po mitarika amin’ny « idées suicidaires ». Izany hoe lasa mieritreritra ny hamono-tena na manatanteraka izany mihintsy.

Ahoana no tokony atao manoloana izany ?

Raha mahatsikaritra ny maromaro amin’ireo fambara voalaza ireo eo amin’ny lehilahy, na namana io na havana na vady, dia mila mandray andraikitra avy hatrany. Amporisihana amin’ny alalan’ny fifampiresahana mora izy mba hanantona mpitsabo saina. Tsy mitsara azy ary tsy manakiana. Azo tsaboina tsara ny fahaketrahana ary manamora izany ny fandraisana an-tanana ny aretina mialoha.

Lire la suite

Articles Similaires