Mpifoka sigara : ahoana no atao hanadiovana ny avokavoka ?
Efa noresahana ombieny ombieny ny maha ratsy ny fifohana sigara sy ireo vokadratsin’izany eo amin’ny fahasalamana. Anisan’ireo fiantrakany moa ny fiangonan’ny loto entin’ny setro-tsigara ao amin’ny avokavoka ka manentsina sy manimba ity farany. Mba hisorohana ny fahasarotana ara-pahasalamana atarek’izany ary dia andeha ho fantarina ny fomba atao hanadiovana ny avokavoky ny mpifoka sigara.
Ny fialana sigara no fomba tokana hanadiovana ny avokavoka
Rehefa mifoka sigara ny olona iray dia mipetraka eo amin’ireo sela (cellules) ao amin’ny tenda, ny « bronches » sy ny avokavoka ireo singa ratsy avy amin’ny setro-tsigara. Lasa mitombo be ny tahan’ny « monoxyde de carbone » eo amin’ireo sela ireo ary mihena ny « oxygène » ka mampihena ny fahafahana miaina tsara.
Mba hiadiana amin’ireo vokadratsin’ny sigara dia mandefa « réponse immunitaire » mitarika « inflammation des bronches ». Izany dia mahatonga rehoka betsaka ao amin’ny avokavoka sy mampikohoka be. Ny fomba mahomby indrindra hanesorana ireo « goudrons » sy ireo singa manampoizina ao anatin’ny avokavoka dia ny fanadiovana ity farany amin’ny alalan’ny fialana sigara tanteraka.
Mihena antsany ny « risque » mety hahavoa homamiadan’ny avokavoka afaka 5 taona nialana sigara
Araka ny nolazaina teo dia ny fialana sigara irery ihany no fomba azo antoka sy mahomby hanadiovana ny avokavoka amin’ireo singa manampoizina avy amin’ny sigara. Malaky tokoa ny vokatsoa azo avy amin’ny fijanonana tsy mifoka sigara intsony.
24 ora taorian’ny nijanonana nifoka sigara dia efa manomboka miala tsikelikely ireo singa manapoizina navelan’ny setro-tsigara ao amin’ny avokavoka sy ireo faritra sasany nipetrahan’izany. Rehefa mandeha ny fotoana dia mihamahazo « oxygène » kokoa ireo sela ao amin’ny avokavoka ary mihatsara ny « soufle ».
Rehefa aty aoriana, eo amin’ny 5 taona nialana sigara, dia mihena ho antsasany ny « risque » mety hahavoa homamiadan’ny avokavoka. Marihana fa maro ireo fepetra manampy hanamorana ny fialana sigara sy ny fanadiovana ny avokavoka. Anisan’izany ohatra ny fanaovana fanatanjahantena izay manatsara ny fiasan’ny taovam-pisefoana ary mampihena ny « risques » hahavoa ny aretin’ny fo sy ny lalandrà. Mandray anjara amin’ny fanadiovana ny vatana ihany koa ny fihinanana sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana.