• Cours de change
  • 5091.06 AR
  • |
  • $4425.69 AR
Copyright Image : © Recette247
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana mofo atody na « boulette surprise »

12/12/2023 16:01 © Moov.Mg

Mbola maro amintsika no mikaroka ny sakafo sy tsakitsaky ho karakaraina amin’ny fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona. Nahandro iray matsiro sy be mpankafy ny mofo atody na ny « boulette surprise ». Mora atao ary azo aroso tsara ny mpianakavy ho an’ny fety.

Ireo zavatra ilaina raha hanao mofo atody

-Atody 5 ;
-Toton-kena 300 g ;
-« Chapelure » 100 g ;
-Tongolo ;
-Lafarina 50 g ;
-« Persil » ;
-Dipoavatra ;
-Sira ;
-« Moutarde » 1 sotrokely ;
-Tongolo gasy voakiky ;
-Menaka hanendasana azy.

Fomba fikarakarana azy

Andrahoina mandritra ny 15 minitra miaraka amin’ny akorany ny atody 4. Rehefa masaka sy mafy tsara dia arotsaka anaty rano mangatsiaka avy eo voasana.
Afangaro ny toton-kena, ny tongolo voatetika, ny « persil » notetehina manify, ny tongolo gasy voakiky, ny sira, ny dipoavatra ary ny « moutarde ». Rehefa vita izay dia zaraina 4 mitovy ireo fangaro ireo.
Maka « papier film » ary velarina eo amboniny ny toton-kena iray tamin’ireo nozaraina ireo. Alaina ny atody masaka voavaofy 1 ary ampandalovina amin’ny lafarina avy eo apetraka eo afovoan’ilay toton-kena novelarina teo. Fonosina ao ilay atody.
Averina ampandalovina amin’ny lafarina ilay atody nofonosina toton-kena. Kapohana ilay atody iray tsy nandrahoina ary asiana sira kely. Atsoboka ao ilay atody avy nampandalovina lafarina avy eo ampandalovina ao amin’ny « chapelure ». Atao mihosotra tsara.
Afanaina anaty lapoaly jobo na vilany saba ny menaka. Rehefa mafana tsara dia endasina ao mandritra ny 5 minitra eo ho eo ilay mofo atody. Rehefa hita mendimendy ny « chapelure » dia vita ny nahandro. Tsihifina tsara hiala ny menaka rehefa mamoaka azy anaty lapoaly na saba.

Lire la suite

Articles Similaires