Fomba fandrahoana ravitoto sy voanio
Efa tsy zoviana amintsika intsony ny laoka ravitoto sy voanio, indrindra rehefa mandeha miala-sasatra any amin’ny morontsiraka any. Maro amintsika ny mankafy io nahandro io nefa mbola tsy mahay mikarakara azy. Araho eto ary ny fomba fandrahoana ravitoto sy voanio.
Ny zavatra ilaina raha hanao ravitoto sy voanio
-Ravitoto 400g,
-Voanio (coco) 1 kelikely ;
-Tongolo gasy ;
-Sakamalaho ;
-Voatabia ;
-Tongolo ;
-Siramamy ;
-Sira ;
Fomba fikarakarana azy
Andrahoina amin’ny rano toy ny mahazatra ny ravitoto. Etsy andaniny tetehina ny voatabia sy tongolo, kikisana ny tongolo gasy sy sakamalaho ary endasina mitokana anaty lapoaly atao saosy. Rehefa mangotraka elaela ny ravitoto dia alefa ao ny saosy nokarakaraina teo ary avela hiketrika eo ny nahandro. Tsy adinoina ny manisy sira, siramamy sy menaka (atao roa sotro fihinanana ihany ny menaka fa tsy atao be loatra satria efa matavy ny voanio).
Etsy andaniny alaina ny voanio efa voakiky ary tapohana rano mangotraka. Avy eo tapohana rano mangatsiaka kely mba tsy hamay be loatra. Fihazina amin’ny tanana ny voanio mba hahazoana ny ranony. Atao amin’ny « bol » iray io ranony azo voalohany io. Averina asiana rano mafana indray ny faikan’ilay voanio avy eo tsihifina.
Ilay ranony faharoa io no alefa voalohany ao anatin’ny ravitoto. Aroharoina tsara ary avela hiketrika eo ambony afo. Rehefa miharitra vao alefa ilay ranon’ny voanio voalohany (izany hoe ilay marihitra kokoa). Aroharoana hifangaro tsara ary avela ho ritra. Rehefa masaka dia esorina ambony afo.
Fanamarihana :
Azo atao tsara ny manisy hena na « crevettes » ao amin’ity nahandro ity raha tiana. Miaraka andrahoana dieny am-boalohany miaraka amin’ny ravitoto ny hena mba ho masaka sy malemy tsara.