Ireo vokatsoa azo avy amin’ny goavy
Isan’ireo firenena mamokatra goavy betsaka i Madagasikara. Rehefa tonga ny fotoanan’ny fahavokarany dia mora vidy izy ireny eny an-tsena. Azo atao « jus », « confiture » na koa hoanina amin’izao. Fa inona tokoa ireo vokatsoa azo avy amin’ny fihinanana goavy ?
Mampitombo ny hery fiarovana ny fihinana goavy
Voankazo manankarena « vitamine C » ny goavy. Anisan’ireo otrik’aina ilaina amin’ny famokarana ny hery fiarovan’ny vatana moa ny « vitamine C ». Ny fihinanana goavy singany 1 lehibe dia manome eo amin’ny 200% ny tahan’ny « vitamine C » ilain’ny vatana. Manampy betsaka amin’ny fampitomboana ny hery fiarovana izany ny fihinana azy ireny. Mora kokoa ho an’ny vatana ny miady amin’ireo karazana otrik’aretina rehefa ambony ny hery fiarovana. Tsara kokoa raha hoanina amin’izao (tsy andrahoina) na atao « jus » tsy be siramamy ny goavy mba tsy ihena ny « vitamine C » ao aminy.
Miaro amin’ny fahasimban’ny sela
Ny fahabetsahan’ny tahan’ny « vitamine C » hita ao amin’ny goavy dia manampy amin’ny fiarovana ny sela tsy ho simban’ny « radicaux libres ». Ireto farany tokoa mantsy dia mety mandrisika ny fahanteran’ny sela ka mahatonga ireo karazana areti-mitaiza. Ankoatra izay dia mampitombo ny famokaran’ny vatana « collagène » ny fihinanana goavy. Ny « collagène » dia « protéine » iray manatsara ny fahasalaman’ny hoditra, ny taolana sy ny vanintaolana.
Manatsara ny fandevonan-kanina
Mitahiry « fibres » ihany koa ny goavy. Ny « fibres » amin’ny sakafo dia fantatra amin’ny fanatsarana ny fandevonan-kanina. Ny fihinanana goavy singa iray lehibe dia mitondra eo ho eo amin’ny 10% ny tahan’ny « fibres » ilain’ny vatana ao anatin’ny andro iray. Noho izany dia manampy amin’ny fisorohana ny fitohanana sy ireo areti-mitaiza toy ny aretin’ny fo, ny diabeta ary ary « cancer du côlon ». Mila mitandrina kosa nefa satria raha be loatra ny fatran’ny goavy hoanina dia mety manakorontana ny fandevonan-kanina indray izany ka hahatonga fitohanana.