• Cours de change
  • 5091.06 AR
  • |
  • $4425.69 AR
Copyright Image : © Papilles Et Pupilles
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fandrahoana bitro sy divay

05/12/2023 13:53 © Moov.Mg

Maro amintsika no efa nihinana bitro fa mbola tsy mahay mahandro izany. Toy ny hena rehetra moa dia azo handrahoina amin’ny fomba maro samihafa izy ireny. Ny fomba fikarakarana bitro sy divay ary no atoro eto.

Ireo zavatra ilaina

-Bitro 2 ;
-Divay (mena na fotsy) 1,5 l ;
-« Thym » ;
-« Romarin » ;
-Tongolo gasy ;
-Sira ;
-Dipoavatra ;
-Sakamalaho ;
-Tongolo 4 ;
-Menaka ;
-Rano.

Fomba fikarakarana bitro sy divay

Vonoina ny bitro dia tapahana ny lohany hiala. Dorana kely amin’ny afo iny lohany iny (ho an’ireo misafidy tsy hanary ny lohany) sy ny vatana mba hiala. Avy eo diovina tsara ny ivelany sy ny anaty ary ahantona atsotsorika mandritra ny fotoana vitsy mba hitsiaka tsara. Raha tsy te handalo amin’izany dingana izany moa dia bitro efa vonona no vidiana.
Tetehana dia alona mandritra ny ora 1 amin’ny divay (tsara kokoa raha divay fotsy fa mety foana nefa na divay mena aza no misy). Alefa miaraka ao ny « thym », « romarin », sira, dipoavatra sy tongolo gasy voakiky.
Alefa anaty vilany ary hataingina eo ambony afo. Matsiro kokoa raha afo kitay no ampiasaina. Somary endandasina amin’ilay saosy nandomana azy aloha ilay bitro. Rehefa mahazo loko dia tampohana izay rano mahamasaka azy. Arotsaka ny sakamalaho voakiky ary masahana amin’ny afo mahery amin’ny voalohany. Rehefa mitady ho ritra dia ahena ny afo.
Raha hanisy saosy dia esorina anaty vilany ny bitro rehefa masaka. Avy eo arotsaka ao anaty vilany nandrahoina azy teo ny tongolo voatetika miaraka amin’ny menaka hanendasana azy. Avela ho masaka tsara ny tongolo dia averina afangaro ao ny bitro.

Lire la suite

Articles Similaires