‘Ndeha ho resahana ny mikasika ny rarin-tsaina na « stress »
Rentsika matitika ny hoe « stress », « stressé »… Amin’ny ankapobeny dia mandalo ny rarin-tsaina. Raha tsy hay kosa ny mifehy azy dia mety hisy fiantraikany eo amin’ny fahasalaman’ny vatana sy ny saina ny fisian’izany, indrindra raha mitranga mandritra ny fotoana maharitra. Fa inona tokoa no atao hoe rarin-tsaina sy ny antony mahatonga azy ? Ahoana ny fisehony sy ny fomba hisorohana azy ?
Inona no atao hoe rarin-tsaina na « stress » ?
Tsy aretina ny rarin-tsaina na « stress » fa fomba iray entin’ny vatana sy ny saina miady sy miatrika ny tranga iray fantany fa mafimafy iainana na ho hatrehana. Vao mahafantatra fotsiny ny atidoha hoe hisy zava-tsarotra ho atrehana dia avy hatrany dia hisy famokarana « hormones » manome tanjaka sy hampavitrika ny saina sy ny vatana. Mampisy fiovana eo amin’ny toe-batan’ilay olona.
Matetika noho izany ny rarin-tsaina dia mitranga rehefa be asa, hiatrika fanadinana, mikorontana ny fandaharam-potoana, raha sendra misy loza na tsy fahasalamana tampoka, raha hiatrakitra zavatra tsara toy ny mariazy, lanonana lehibe…
Ahoana ny fomba fisehon’ny rarin-tsaina ?
Maro ny mety ho fitrangan’ny rarin-tsaina satria samy manana ny fomba fiatrehana ny zava-misy ny vatana sy ny sain’ny olona tsirairay. Anisan’ireo fambara matetika hita ny hoe :
-Manakotsako ny hozatra ;
-Mahatsapa marary ny vavony na manotika ny kibo ;
-Mitohana na mivalana ;
-Tsy mahita tory ;
-Tsy mahazoto homana na lasa mahery misakafo be ;
-Tsy mahavita mifantoka loatra ny saina ;
-Marary an-doha lava ;
-Mahatsiaro reraka ;
-Mihintsam-bolo, mangidihidy ny loha sady mirongatra ny angadrano ;
-Mivoaka ny aretin-koditra toy ny « psoriasis ».
-Ho an'ny vehivavy dia mety hikorontana na tsy hisy mihitsy ny fadim-bolana ;
-Ho an'ny lehilahy kosa mety lasa tsy mahavelona filahiana.
Tsy voatery hitranga miaraka avokoa ireo fambara ireo ary miankina betsaka amin’ny olona tsirairay ny fisehon’ny rarin-tsaina. Tsy midika ihany koa hoe vao misy ireo fambara ireo dia tsy maintsy ho « stress » no mahazo ilay olona fa mety ho aretina mihintsy. Ilaina hatrany noho izany ny manantona mpitsabo mba ahazoana ny fandraisan-tanana sahaza.
Ireo fiantraikan’ny rarin-tsaina eo amin’ny vatana sy ny saina
Raha mandalo vetivety ny rarin-tsaina dia tsy tokony misy fiantraikany atahorana amin’ny vatana sy ny saina izany. Raha maharitra ela loatra na miverimberina matetika nefa izany dia ilaina ny manantona mpitsabo satria mety hiteraka vokadratsy ara-pahasalamana izany, toy ny hoe
-Tsy mety milamina ny aretina mitaiza ;
-Mitarika sy mampitombo ny fandraisana zava-mahadomelina ;
-Mitombo ny fandraisana zava-mahadomelina ;
-Mihiba ny hery fiarovana ;
-Mitarika amin’ny « dépression » ;
-Mitarika aretin'ny fo sy ny lalandrà.
Ireo torimarika manampy amin’ny fisorohana ny « stress »
Ny olona rehetra dia tsy maintsy mandalo zava-tsarotra eo amin’ny fiainana. Noho izany, mety ho tratry ny rarin-tsaina avokoa. Misy ihany nefa ireo toromarika tsara arahina mba hisorohana ireo toe-javatra mahatonga « stress » :
-Mametraka fahazarana sy lamina mazava hitantanana ny fiainana andavan’andro ;
-Mitsiky sy miomehy hatrany mba hamokaran’ny vatana « hormones » miady amin’ny rarin-tsaina ;
-Manao fanatanjahan-tena ;
-Atao ampy tsara ny torimaso ;
-Mihotra mampitony sy manalefaka ny hozatra ;
-Misakafo ara-pahasalamana mba hampatanjaka ny vatana sy ny saina ary hampitombo ny hery fiarovana.