Ireo rehetra mila fantatra mikasika ny aretina « Infection urinaire »
Isan’ireo aretina mateti-pitranga ary mety mahavoa ny olona rehetra, na zaza, na ankizy na lehibe ny aretina « infection urinaire ». Ny fahatsapana manaintaina na mavaivay rehefa mivalan-drano no isan’ireo fomba ahafantarana olona voan’ity aretina ity. Fa inona tokoa moa izany « infection urinaire » izany ? Ny fisehony, ny antony mahatonga azy ary ny fitsaboana azo atao ?
Inona no atao hoe « infection urinaire » ?
Ny « infection urinaire » dia aretina vokatry ny « bacterie » tafiditra any anaty « appareil urinaire ». Ny « appareil urinaire » moa dia ny fitambaran’ireo taova sy fantsona mandrafitra ny lalan’ny fivalanan-drano (pipi), dia ny voa, ny tatavy ary ny « urètre » izay fivohan’ny pipi. Misy karazany roa moa ny « infection urinaire » dia ny « infection urinaire » tsotra (simple) ary ny misy fahasarotany (compliquée).
Matetika moa dia ny vehivavy no manao ilay « infection urinaire simple ». Ny vehivavy mantsy dia manana « urètre » fohy ary ilay lavaka fivoahan'ny pipi dia misokatra , hany ka mora idiran'ny « bactérie » sy ny mikraoba. Ny lehilahy, ny olona diabetika, ny olona manana hery fiarovana ambany, ny olona misy fahasamponana ny « appareil urinaire » kosa matetika no manao ilay « infection urinaire compliquée ».
Ahoana ny fomba fisehon’ny aretina « infection urinaire » ?
Raha manao « infection urinaire » ny olona iray dia toy izao ny fomba fisehon’ny aretina :
-Mahatsapa mangirifiry rehefa mipipi ;
-Te hipipi nefa toa tsy mahalatsaka na mahalatsaka ihany fa kely fotsiny ;
-Efa tsy misy pipi mandeha intsony kanefa mahatsapa hoe mbola tokony hipipi ;
Ireo voalaza ireo no fambaran’ny aretina amin’ny ankapobeny. Misy fotoana, indrindra raha misy fahasarotana ny « infection urinaire » dia misy fambara hafa mipoitra, toy ny hoe :
-Manavy be ilay olona ;
-Marary ny valahana amin’ny havia na havanana ;
-Mety misy fofona ilay pipi ary somary mandroatra ;
-Misy rà kely amin’ny pipi.
Ahoana ny fomba fitsaboana ny « infection urinaire » ?
Raha mahatsikaritra ny iray na ny ankabeazan’ireo soritr’aretina voalaza ireo dia mila manantona mpitsabo avy hatrany. Ity farany moa no manao ny fizahana sy mampanao fitiliana, raha ilaina izany, hanamarinana tokoa fa « infection urinaire » no mahazo ilay olona. Amin’ny ankapobeny moa dia mampiditra « antibiotiques » ny mpitsabo mba hamonoana ny « bactéries » mahatonga ilay aretina. Tandremana kosa nefa mba vitaina hatramin’ny farany ny fihinanana ny « antibiotiques » hatramin’ny farany na dia afaka aloha aza ireo soritr’aretina mba hisorohana ny « complications ».
Ireo fomba atao hisorohana ny « infection urinaire »
Misy ireo fomba azo atao hisorohana ny « infection urinaire ». Anisan’izany ny hoe :
-Misotro rano 1,5l isan’andro ;
-Midio in-2 farafahakeliny isan’andro ;
-Rehefa misasa dia avy aty aloha foana no makany aoriana
-Tsy manao poritra be, tsy mitazona pipi ihany koa ;
-Atin’akanjo coton hatrany hanaovana ;
-Manao madio tsara alohan’ny hiray ara-nofo ary misasa avy hatrany rehefa vita izany.