• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Super Marmite
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fikarakarana sakafo : mahasoa kokoa ny fihinanana hena atao masaka tsara

12/05/2023 17:26 © Moov.Mg

Anisan’ny mahatonga fanapoizinana ara-tsakafo ny fihinanana hena manta. Tsara tokoa raha atao masaka tsara foana ny hena vao hoanina, na hen’omby izany na henan-kisoa na trondro. Fa inona tokoa ary ireo antony tokony hanamasahana tsara ny hena vao hoanina ?

Atao masaka tsara ny hena mba hanesorana ireo singa mety ankarary ao aminy

Ny fandrahoana ny hena dia manala ireo toxines na singa manapoizina hita ao amin’ny hena manta. Fantatra ihany koa fa mety mitahiry karazana bactéries, bibikely sy viriosy ao anatin’ny hena manta, indrindra ny henan-kisoa. Mitarika aretina sy fanampoizinana ara-tsakafo izy ireny raha tafiditra ao anaty vatana. Rehefa atao masaka tsara ny hena dia tsy misy atahorana intsony ny fihinanana azy satria maty avokoa ireny bacteries, biby kely sy viriosy ireny.

Mora levonina ny hena atao masaka tsara

Mavesatra ary sarotra levonina ho an’ny vavony sy ny tsinay ny hena manta. Ho mora tsakoina sy ho mora levonina kokoa ny hena rehefa masaka tsara. Rehefa ataingina elaela anaty vilany ambony afo ny sakafo dia lasa mihamalemy ka tsy ananosarotra intsony ny mihinana sy mandevona azy. Sahala amin’izany ihany koa ny hena. Rehefa masahana elaela ambony afo dia malemy tsara ary lasa maivana kokoa ho an’ny vavony. Tandremana tsara kosa mba tsy atao be menaka loatra.

Mitombo sy mihatsara tsiro ny hena masaka tsara

Mampivoaka karazana tsiro maro samihafa ny fandrahoana ny sakafo. Maro ireo fomba afaka anamasahana ny hena : andrahoina, endasina, atao anaty lafaoro, atono… Azo atao ihany koa ny mampiaraka fomba fanamasahana maro rehefa mikarakara hena mba hahamasaka azy tsara ary indrindra hampatsiro azy. Rehefa tena masaka tsara sy mendimendy iny ny hena no tena heno tsara ny tsirony.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo