• Cours de change
  • 4715.38 AR
  • |
  • $4421.95 AR
Copyright Image : © The United Nations
Image
Fahasalamana&Sakafo

Mpampivelona na rasazy : Isan’ireo asa lehibe amin’ny vonjy aina

05/05/2023 10:06 © Moov.Mg

Voasokajy ho isan’ireo asa tsara manerana izao tontolo izao ny asan’ny mpampivelona na rasazy. Marihana isaky ny faha 5 ny volana Mey ny andro manerantany ho azy ireny. Manana lanja lehibe eo amin’ny fiarahamoninina ny rasazy noho ny andraikitra sahaniny amin’ny fampiterahana. Fa inona tokoa moa ny asan’ny mpampivelona ? Inona ny fianarana arahina raha anao izany asa izany ?

Inona no atao hoe mpampivelona na rasazy ?

Ny mpampivelona na rasazy dia fantatra indrindra amin’ny fampiterahana ny vehivavy bevohoka eny anivon’ny hopitaly sy ny tobim-pahasalamana. Misy mpitsabo manaraka kosa anefa izy ireny raha toa ka misy fahasarotana eo amin’ny fiterahana. Izy ihany koa no manara-maso ireo dingana rehetra eo amin’ny fitondrana vohoka hatrany amin’ny fanarahana akaiky ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ao aorian’ny fiterahana. Tafiditra anatin’ny andraikitry ny mpampivelona ihany koa ny fanomezana torohevitra ny vehivavy mahakasika ny fandrindram-piterahana sahaza ny toe-batany sy ny toe-pahasalamany.

Inona avy ary ireo asa lehibe sahanin’ny rasazy ?

Ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ny vehivavy bevohoka ao aloha, mandritra sy ao aorian’ny fiterahana no andraikitra lehibe sahanin’ny mpampivelona na rasazy. Izany dia mba hisorohana ny mety hisianan’ny fahasarotana ara-pahasalamana mety hitranga eo amin’ny reny sy ny zaza. Mba hanatanterahany izany andraikiny izany dia ireto avy ary ireo asa lehibe sahanin’ny rasazy :
· Manaraka akaiky ny fizotry ny fitondrana vohoka sy ny fandefasana ilay vehivavy mankany amin’ny gynécologue raha ilaina ;
· manomana ny vehivavy hiatrika fiterahana : manara maso ny fitempon’ny fon’ny zaza ao am-bohoka, ny fisokatry ny vozon-tranonjaza, sns ;
· mampiteraka na manampy ny mpitsabo matihanina amin’ny fampiterahana ;
· mikarakara sy mizaha ny fahasalaman’ny zaza vao teraka ;
· manome torohevitra ny reny momba ny fikarakarana ny zaza vao teraka ;
· manara-maso ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ;
· manatanteraka ireo fizaham-pahasalamana ilain’ny vehivavy mitondra vohoka.

Inona ny fianarana arahina raha te ho lasa mpampivelona na rasazy eto Madagasikara ?

Mila manaraka fiovanana eny amin’ny toeram-pampiofanana « paramédicaux » ireo mpianatra te hisehatra amin’ny asa mpampivelona. Raha ny eto Madagasikara manokana moa dia mbola enina ihany hatreto ireo toeram-pampiofanana nahazo fankatoavana avy amin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Ny Institut de Formation Inter-Régional de paramédicale na IFIRP no sekolim-panjakana mampiofana ho mpampivelona eo amintsika.
Afaka manao fifaninana hiditra ao amin’ny IFIRP avokoa ny mpianatra manana BACC rehetra. Maharitra 3 taona ny fiofanana ary mila manao fianaran-kasa eny amin’ny toeram-pitsaboana toy ny hopitaly na tobim-pahasalamana ireo mpiofana mandritra izany. Vao taona voalohany ny mpianatra dia misafidy ny filière ataony : mpampivelona, mpitsabo mpanampy, technicien de laboratoire… Manomboka ny taona faharoa no miofana ho rasazy raha misafidy izany filière izany. Rehefa tapitra ny fiofanana telo taona miaraka amin’ny fianaran-kasa dia manao « mémoire » ilay mpiofana hivoaka mpampivelona.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo