• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Rosemary Ravinal
Image
Asa & Fianarana

Tahotra miteny imason’olona : ireo vahaolana hialana amin’izany

19/05/2023 11:10 © Moov.Mg

Tsy mora tokoa izany mandray fitenenana imason’olona izany. Mora misinda izany fitaintainana izany ho an’ny olona sasany. Ho an’ny hafa kosa mivadika ho fijaliana mihintsy ny tahotra miteny imason’olona ary mety ho lasa sakana amin’ny fivoarana, indrindra ara-kasa. Ahoana ny fisehon’izany tahotra miteny imason’olona izany ary inona kosa ireo vahaolana azo atao ?

Tahotra miteny imason’olona : fanahiana amin’ny fandraisana fitenenana

Lazaina fa manana tahotra miteny imason’olona ny olona iray rehefa tsy masahy mandray fitenenana manoloana vondrona iray. Mitady hevitra hatrany izy mba tsy handraisany fitenenana rehefa misimisy olona. Raha toa ka tsy maintsy manao izany izy dia hita taratra amin’ny fihetsiny sy ny fomba fiteniny ny tahotra diso tafahoatra eo aminy. Maro ireo antony mety mahatonga izany tahotra miteny imason’olona izany. Anisan’izany ny henatra, ny tahotra ny fitsaran’ny hafa, ny fandraisana fitenenana taloha tsy nety ka lasa tsy masahy miatrika olona misimisy intsony…

Ny fisehon’ny tahotra miteny imason’olona

Miseho amin’ny fomba maro samihafa moa izany tahotra miteny imason’olona izany. Eo amin’ny lafiny ara-batana dia mety ho tera-tsemboka, hangovitra, hisalebolebo, handoa, harary kibo, ho fanina… ilay olona aloha, mandritra na ao aorian’ny fandraisany fitenenana. Mety misy fotoana izy tsy mahavita miteny ninoninona na koa lasa tsy mandeha araky ny tokony ho izy ny zavatra tokony resahiny. Misy fiantraikany ara-tsaina ihany koa izany fitaintainany izany : tsy mahita tory, misy rarin-tsaina, mitebiteby lava, kizitina, tsy mahatoky tena intsony…

Ny mety ho fiantraikan’ny tahotra miteny imason’olona

Mampijaly olona maro tokoa izany tahotra miteny imason’olona izany, indrindra eo amin’ny sehatrin’ny asa. Maro ny mety ho voka-dratsy aterak’izany, toy ny tsy fahafahana mitazona andraikitra ambony kokoa amin’ny asa, ny fahaverezana mpanjifa na tetikasa… Raha matahotra miteny imason’olona tokoa mantsy ny mpiasa na mpandraharaha iray dia ho sarotra aminy ny mampita amin’ny hafa ny hevitra na tetikasa tsara izay ananany ka mety hanimba ny asany.

Ireo vahaolana mba ahazoana fahasahina miteny imason’olona

Azo volena tsara ny fahasahiana miteny imason’olona. Ny fanamboarana ny saina no fomba lehibe anatanterahana izany. Mila manana toe-tsaina miabo hatrany ary indrindra tsy manome lanja izay mety ho fijery na fitsaran’ny hafa. Atao ao an-tsaina hoe vitako io, haiko io. Ilaina ihany koa ny mihomana tsara, indrindra raha mbola vao mizatra. Raketina an-tsoratra ny votoatin’ny lahateny izay ho atao ary manao famerenana kely ao an-trano iray andro mialoha ny fotoana. Atao imason’ny ao an-trano izany famerenana izany raha azo atao mba hizarana miteny imason’olona.
Rehefa handray fitenenana dia tsy asiana zavatra mihintsy eny an-tanana mba tsy ahitan’ny olona mijery raha toa ka mangovitra. Fitaovana iray manampy amin’ny fitenenana sy ny fahaizana manazava hevitra ihany koa ny fampiasana ny tanana. Tandremana kosa nefa mba tsy ahetsika be loatra izany. Afindrafindra ny fijery fa tsy mandinika olona iray mba ampitony ny tahotra. Mandaitra kokoa ny mijery ny rindrina farany aorina raha anaty efitrano. Tsara ihany koa raha mitsiky tsindraindray mba ho zatra amin’ny vondrona resahana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo