Reny mitaiza kely misafidy hiasa ao an-trano : ireo torohevitra manampy
Maro tokoa ankehitriny ireo vehivavy mpiasa birao misafidy ny hiasa ao an-trano mba tsy handaozana ny zanany mbola kely. Efa miroborobo rahateo ireo asa azo atao ao an-trano na ireny atao hoe « travail en ligne » ireny ahafahana mitady vola sady mitaiza ny zaza. Ho an’ireo reny mitaiza kely misafidy hiasa ao an-trano ary dia ireto misy torohevitra manampy hahafahana mandritra ny asa sy ny fitaizana.
Resahana mialoha ny vady sy ny zanaka
Alohan’ny hirosoana amin’ny fiovana miasa ao an-trano dia mila resahana tsara ny mpianakavy. Hazavaina azy ireo, ny vady sy ny zanaka efa mahazo resaka, ny fitsipika vaovao ao an-trano mba hisorohana ny tsy fanafangaroana ny asa sy ny andraikitra maha renim-pianakaviana. Tenenina ny ankizy hoe tsy azo elingelenina i neny rehefa amin’ny fotoana hiasany. Lazaina ihany koa ny vady fa asa fitadiavana ilay atao ao an-trano ka tsy voatery afaka manao ny raharaha rehetra ao an-tokantrano.
Mandamina toerana manokana hiasana
Na dia ao an-trano àry dia mila manana toerana manokana hiasana mba hafahana mifantoka tanteraka amin’ny asa fa tsy miroiroy saina amin’ny zavatra hafa. Tsy voatery hoe efitrano mitokana fa asiana latabatra birao mifanaraka amin’ny karazana asa atao. Manampy betsaka hanavahana ny asa sy ny andraikitra maha renim-pianakaviana izany. Ankoatra izay dia manampy ny zanaka hahafantra ihany koa izany hoe toerana hiasan’i neny io ka rehefa eo izy dia tsy azo elingelenina.
Mividy « kit mains-libres »
Rehefa mitrotro ny zaza na rehefa manome sakafo azy dia mety ho sarotra ny handray ny antso an-tariby. Ny « kit main-libre » dia fitaovana iray tena manampy ny reny mitaiza kely misafidy ny hiasa ao an-trano, indrindra ireo izay mila fifaneraserana an-tariby matetika ny asa atao. Ilaina ihany nefa ny mampahafantatra ny olona hifampiresahana hoe misy zazakely eo akaiky sao hanahirana raha mitomany na mandrezatra tampoka ilay zaza.
Mametraka ora raikitra hanaovana ny asa
Isan’ireo antony hisafidianana hiasa ao an-trano ny fahalalahana ara-potoana azo avy amin’izany. Tsy midika kosa nefa izany hoe tsy mametraka laminasa hanatanterahana ny asa. Ilaina ny mametraka ora raikitra isan’andro na isan-kerinandro hanaovana ny asa. Izany dia mba hahafahana manavaka hatrany ny fotoana hiasana sy hanaovana raharaha. Raha voahaja tsara io lamina io dia tsy hisy ny hoe voatery miari-tory mamita asa na koa hoe variana miasa loatra dia lasa tsy zarizary ny fikarakarana ny zaza sy ny ankohonana.
Maka mpanampy an-trano na alefa « crèche » ny zaza
Miankina amin’ny asa atao sy ny fotoana na ny hery takiana amin’izany no hitadiavana ny vahaolana manampy mba hahafahana mandrindra ny asa, ny fitaizana sy ny raharaha. Raha mitaky fotoana be ny asa atao dia tsara raha maka mpanampy an-trano hanao ny raharaha ao an-trano sy hanampy amin’ny fikarakarana ny zazakely. Azo atao ihany koa ny mandefa ny zaza any amin’ny « crèche » ny tapak’andro mba hananana fotoana hifantohana tsara amin’ny asa.