• Cours de change
  • 5112.07 AR
  • |
  • $4416.31 AR
Copyright Image : © Pole Pegase
Image
Asa & Fianarana

Mitady asa : ireo fahaiza-manao matetika adino ny manasongadina azy

14/07/2025 12:50 © Moov.Mg

Maro amin’ireo mpitady asa no miezaka mianatra zava-baovao mba hahazoana asa. Maro amin’izy ireny nefa no tsy mahafantatra fa manana ny fahaiza-manao tena karohin’ireo mpampiasa, izay manan-danja toy ny diplaoma, izy ireo. Fa inona tokoa ary ireo fahaiza-manao tadiavin’ireo mpampiasa matetika izay adino ny manasongadina azy ?

Ny fahaizana miresaka sy maneho hevitra amin’ny fomba mazava

Fahaiza-manao iray tena karohin’ireo mpampiasa ny fahaizana miresaka sy maneho hevitra amin’ny fomba tsotra sy mazava. Ilaina tokoa izany na amin’ny fifandraisana amin’ny mpanjifa, fanoratana mailaka, fitariana sy fanentanana fivoriana, fanazavana hevitra…. Raha lazain’ny mpiara-miasa na ny manodidina fa mahay miresaka sy manazava hevitra tsara ary dia mila asongadina ao anaty « CV » sy amin’ny « entretien » io fahaiza-manao io rehefa mitady asa.

Ny fahaizana miara-miasa sy fananana « esprit d’équipe »

Isan’ireo fahaiza-manao tadiavin’ireo mpampiasa eto Madagasikara ny fahaizana miara-miasa sy fananana « esprit d’équipe » mba hahafahana mifampizara fahaizana sy hiara-mandroso. Na dia tsy manana traikefa ara-kasa lehibe àry dia efa manan-danja ny fiaraha-miasa samihafa natao teo amin’ny sehatry ny fianarana, ny vondrona, ny iraka an-tsitrapo… Efa afaka manaporofo ny fahaizana miara-miasa amin’ny hafa izy ireny ka tsara havoitra rehefa mitady asa.

Ny « capacité d’adaptation »

Tsy ny olona rehetra no manana « capacité d’adaptation » na hoe mahavita manaraka ny fiovana na ny toe-java-misy am-pitoniana. Tena ilaina tokoa nefa izany eo amin’ny sehatry ny asa satria mety misy ireo fiovana sy fivoarana samihafa mitranga, na eo amin’ny asa na ny fitaovam-piasaina ampiasaina, ka mila mahavita manaraka izany. Anisan’ireo fahaiza-manao omen’ny mpampiasa lanja izy io ka mila asongadina amin’ny toe-javatra mivaingana efa natao tamin’ny asa teo aloha ohatra.

Ahoana ny atao hampisongadina ireo fahaiza-manao ireo ?

Ny zavatra atao voalohany dia ny mampiditra mazava ireo fahaiza-manao voalaza ireo ao anaty « CV ». Tsy apetraka bango tokana eo amin’ny « compétences » fotsiny izy ireny fa havoitra amin’ny alalan’ny traikefa nampiharana azy. Mandritra ny « entretien » dia afaka mitantara toe-javatra hafahana manazava ny zavatra natao sy ny vokatra azo tamin’izany. Manampy ny mpampiasa hahafantatra ireo fahaiza-manao endrasany, ho fanampin’ny diplaoma, amin’ny mpitady asa ny fanatanterahana izany.
Noho izany, na dia ilaina hatrany ary ny manampy fahalalana sy mampitombo ny fahaizana, dia mila trandrahana ihany koa ireo fahaiza-manao efa hananana, indrindra rehefa mitady asa.

Lire la suite

Articles Similaires