• Cours de change
  • 5144.28 AR
  • |
  • $4533.35 AR
Copyright Image : © Coffreo
Image
Asa & Fianarana

« Accident du travail » : ireo tsara fantatra sy ny fisorohana azo atao

16/05/2025 15:09 © Moov.Mg

Rentsika matetika eny amin’ny toeram-piasana eny ny hoe « accident du travail » nefa maro ny tsy mahafantatra mazava ny mikasik’izany. Na ny mpampiasa na ny mpiasa dia mety ho voakasik’izany. Inona ary no atao hoe « accident du travail » ? Inona no antony mety mahatonga izany ? Inona no fitandremana azo atao hisorohana azy ireny ?

Inona no atao hoe « accident du travail »

Ny « accident du travail » dia ny zavatra mitranga tampoka sy tsy nampoizina miseho mandritra ny fotoana hiasana, ary nandratra. Maro no mety ho fisehon’izany, toy ny hoe nianjera, voadona, naratra, may… Izany hoe ireo « accidents » mety mandratra any amin’ny toeram-piasana na tao anatin’ny fotoana iray tafiditra anatin’ny asa.

Ireo antony mety mahatonga ny « accident du travail »

Maro ireo zavatra na anton-javatra mety mahatonga « accident du travail », anisan’izany ny :
-Zavatra mety mampidi-doza, toy ny tany malama, fitaovana simba, masinina tsy mandeha tsara... ;
-Tandrevaka toy ny hoe tsy nitandrina, reraka, tsy nanaraka ny fitsipika fiarovana na « règles de sécurité »… ;
-Tsy fahampiana fampahafantarana sy « formation ». Mety izany tsy fifehezana ny fitaovam-piasana izay mety mandratra… ;
-Rarintsaina sy havizanana. Ny fiasana maimaika na ao anaty rarintsaina dia mampitombo ny « risques d’accident » ;
-Tsy fahampian’ny « sécurité au travail ».

Ahoana no atao mba hisorohana ny loza ?

Samy manana anjara asa avokoa ny tsirairay hisorohana ny « accident du travail » sy hahatonga ny asa ho hieren-doza :
-Ny fitandremana. Izany hoe mitandrina tsara amin’ny zavatra atao sy ny zavatra manodidina ;
-Ny fanajana ny fepetra sy ny fitsipika. Tokony manana « règles de sécurité » avokoa ny toeram-piasana tsirairay mba hiarovana ny mpiasa sy ny toeram-piasana. Mila hajaina tsara ireny fitsipika ireny ;
-Ny fampiasana ny « équipements de protections » toy ny « casque », « gants », « lunettes »… ao amin’ireo fiasana mila izany ;
-Ny fitaterana ireo zavatra na tranga mety hampidi-doza any amin’ny tompon’andraikitra raha mahatsikaritra izany ;
-Ny fangatahana fanampiana amin’ny olona mahay raha misy zavatra na fitaovana tsy voafehy mba hisorohana ny loza.

Ahoana ny atao manoloana ny « accident du travail » ?

Na dia efa mitandrina tsara aza dia mety mitranga ihany ny « accident de travail ». Raha sanatria miseho izany dia mila :
-Mampafantatra avy hatrany ny tompon’andraikitra na ny « secours » ;
-Tsy hahetsika na hafindra ny maratra raha tsy tena hoe ilaina amin’ny fiarovana azy ;
-Mameno « rapport d’accident » mba hahafantarana ny antony nahatonga ilay loza sy mba hisorohana ny mety hiverenan’izany.

Lire la suite

Articles Similaires