Fanalam-baraka amin'ny tambazotra sosialy : Famonoana olona an-kolaka
Lasa fitaovana famotehana fiainan'olona ny tambazotra sosialy, rehefa tsy hay ny mampiasa azy. Na dia misy aza ny lalana mifehy ny serasera an'habaka, toa heverina fa fialamboly ny famoahana toro mahakasika fiainan'olona manokana.
Famoizam-po
Sary manao tarehy ratsy, sary maneho faritra saropady amin'ny vatana, horonantsary mamoafady, resaka manokana tamin'olona iray na maromaro : marobe ireo namono tena, lasa adala na mitondra takaitra noho ny fiparitahana sary, horonantsary na horonampeo tsy tokony ho hita sy henon'ny besinimaro.
Ireo adolantsento sy tanora no tena voakasik'izany. Eny amin'ny lisea sy Oniversite ireo mpianatra no tena "mifampigafy" ka miafara amin'ny fanalam-baraka izany. Misy kosa ireo tanora tsy mahazaka donam-pitiavana ka potehina ny fiainan'ny ankilany rehefa tsy te hiara-dalana intsony. Mbola mety hisy tranga fanalam-baraka ihany koa eo amin'ny tontolon'ny olon-dehibe, indrindra raha misy lonilony na valifaty na fanenjehana.
Ireto misy ohatra azo raisina :
-Be mony be ny adolantsento iray somary menamenatra ka nararaotin'ny mpiara-mianatra aminy nanesoana azy izany. Nisy naka sary izy ka naparitak'ireo mpiara-mianatra tany amin'ny vondrona misy ny iray sekoly ;
-Naparitaka tamin'ny vondron'ny sekoly ny sarina ray aman-drenin'ny mpianatra iray mpivarotra saribao. Miezaka manao metimety mantsy ilay mpianatra ka nambaniana hoe mahantra nefa "miseho milay", ary dia niomehezan'ny rehetra ;
-Nalaina horonantsary ny lehilahy iray rehefa avy nisotrosotro ka mamo. Nianjera izy ka nihosina maloto mihitsy. Natao izay nahitan'ny mpampiasa izany mba haha-voaroaka azy tamin'ny asany ;
-Naparitaka tamin'ny tambazotran-tserasera hitan'ny besinimaro ny horonantsary na sarina vehivavy miboridana na manao firaisana ara-nofo mihitsy, mba handotoana tanteraka ny anarany.
Tsy zakan'ny saina ny mahita fa hitan'ny olon-drehetra ny sary na horonantsary manokana, tsy natao ho hitam-bahoaka. Ny henatra lalina ny manodidina no antsy mandravarava ny vatana, ka tsy mahagaga raha mamoy fo ilay iharan'ny fanalam-baraka. Mila herin-tsaina sy finiavana be ny fiarenana sy fiverenana eo anivon'ny fiarahamonina. Misy aza moa mifindra toerana mihitsy mba tsy hisedra ireo torabaton'olona maro. Tsy vitsy moa ireo tsy sahy mitaraina noho ny antony maro.
Fahaiza-miaina
Voaheloky ny lalàna ny fanalam-baraka olona, na inona na inona antony. Amin'ireo mpandinika fiaraha-monina sy mpitsabo aretin-tsaina, mariky ny fahalemena sy ny fankahalana ny fikasana hamotika fiainan'olona. Samy manana ny "kilemany" mantsy ny tsirairay, ary tsy voatery hitovy ny famaritana ny atao hoe "hadalana".
Tsy mitombina mihitsy ny hoe "izy no te haka an'io sary ratsy be io", "tena maditra sy tsy mahay miaina matoa izao sy izao", "'mahazaka vava matoa sahy manaonao foana" : nanao izany tany amin'ny takona ilay olona, nisy olona tsy azo nitokisana nanaparitaka izany ho an'ny hafa. Mariky ny fahaiza-miaina araka izany ny mitazona ny tsiambaratelon'izay nametraka fitokisana tamin'ny tena.
Raha mahery loatra ny faniriana te hamaly faty, tsara raha mifehy tena tsy hikasi-tanana na hanala baraka ilay olona. Eny, na dia ratsy indrindra aza no nataony. Azo atao ny mifampiresaka mivantana raha misy disadisa, na manapaka fifandraisana fotsiny raha ilaina. Raha misy fitarainana kosa, ny manantona manam-pahefana no hevitra tsara indrindra.
Ireto misy fitandremana vitsivitsy azo atao tsara :
-Tsy mahatoky olona firy, na namana sy olom-pantatra aza. Maro tokoa ireo olona te hamingana na dia miseho ho tsara fihavanana amin'ny tena aza. Raha voatery hisotrosotro dia tsy mandeha toera-mangina ;
-Tsara raha misy olona akaiky mahafantatra hatrany ny toerana aleha sy ireo olona hiaraka any. Raha misy mampiahiahy, toy ny fahataran'ny fodiana na tsy fandraisana antso intsony, ho mora ny fitadiavana ;
-Raha mifandefa sary mamoafady ny mpifankatia na Mpivady, tsy tokony tehirizina anaty finday na anaty tambazotran-tserasera izy ireny fa fafana avy hatrany raha vao hita.
Fampieritreretana
Saino anie e ! Samy efa nanao "hadalana" tsy sahy nambara an'iza n'iza avokoa na kely na lehibe. Raha mba ireny moa no nisy nahazo sary na horonantsary ka miparitaka amin'ny tambazotran-tserasera ! Mety ho zaka ve ? Raha sanatria ny Zanaky ny tena no misy migafy ka miparitaka etsy sy eroa ny sariny mahamenatra indrindra, mety hahafinaritra ve ny hahita azy iomehezan'ny olona ?
Tsy mora ny fifampitaizana, indrindra amin'ny fampiasana tambazotran-tserasera. Heverina fa ny kalitaon'ny fanabeazana isan-tokantrano no mety hampiova ny toe-tsaina tia mandratra ny hafa. Mila taizaina hanaja sy hitsinjo hatrany ny hafa ny ankizy sy ny tanora. Ianarana mihitsy ny tsy manaparitaka sarin'olona (na misy ny tena aza) rehefa tsy nifampierana taminy. Marobe ireo tsy mahalala akory fa midanadana ny varavaran'ny Fonja ho an'ireo rehetra manaparitaka toro manokana tsy nahazoana alalana : "atteinte à la vie privée", "violation du droit à l'image". Hatreto aloha, mbola lavitra ezaka ny fanentanana ny amin'ny fanajana ny fiainana manokan'ny hafa amin'ny tambazotran-tserasera. Lasa fitaovana famoahana "dossiers maloto" izy io.
Ireto misy toromarika vitsy raha iharan'ny fanalam-baraka an'habaka :
-Mitony tsara sy tsy misendoatra ;
-Atao "capture d'écran" ilay ranty, miaraka amin'ny "profil"-an'ilay olona nanao izany na nizara. Azo alaina ihany koa ny "liens".
-Signale-na ilay compte na page nanao na nizara ny ranty
-Tsy fahadisoana ny miezaka mifampiraharaha ny amin'ny hamafana ny sary na horonantsary na horonampeo
-Manantona ny mpitandro ny filaminana avy hatrany.