• Cours de change
  • 5186.79 AR
  • |
  • $4510.61 AR
Copyright Image : © Mavink
Image
Fahalalana Ankapobeny

Accidents domestiques : Ireo karazana loza mateti-pitranga ao an-trano

20/10/2025 11:47 © Moov

Marobe ireo olona mitondra takaitra na namoy ny ainy noho ny "accident domestique", izany hoe ireo loza miseho ao an-trano.

Fianjerana amin'ny tohatra

Ny zaza sy ny olon-dehibe efa nahazoazo taona no tena vokasiky ny fianjerana amin'ny tohatra. Mety misolifatra ny tongotra na mandingana zana-tohatra ka mianjera avy hatrany. Raha midona mafy amin'ny fanaka na rindrina ny loha dia mety hiafara amin'ny fahafatesana ny fianjerana. Mety ho tapaka ihany koa ny taolana, arakaraka ny hamafin'ny dona.
Noho izany indrindra, tsara raha mitandrina ny rehetra fa tsy ho maimaika rehefa miakatra na midina ny tohatra. Ampitomboina ny fahamailoana raha toa ka "carreaux" (malama) ny tohatra na somary mitsatoka. Ilaina tokoa ny mitehina amin'ny arofanina, indrindra raha mitondra zavatra na zaza rehefa mampiasa ny tohatra. Tsy adino ny manara-maso tsara ny zazakely sy ny olon-dehibe, raha misy rihana ny trano.

Fahamaizana amin'ny afo na rano mangotraka

Mampidi-doza tokoa ny fahamaizana ao an-tokantrano. Raha tsy mitandrina dia mety ho main'ny afo, rehefa mikirakira fatana fandrahoana sakafo. Atahorana ihany koa ny aina raha toa ka misolifatra nefa misy rano mangotraka eny an-tanana.
Ireto àry misy torohevitra vitsivitsy ho an'ireo mpikirakira sakafo ao an-dakozia :
-Atao maina tsara foana ny tany itsahina, indrindra raha malama ny akora fototra (Carreaux ohatra) ;
-Mila mailo tsara, mijery ny havia sy havanana sy aloha sy aoriana, raha hibata rano na sakafo mangotraka ;
-Akatona ny lakozia rehefa mahandro sakafo, mba tsy hivezivezy ny ankizy sy ny zaza ;
-Tsy atao takatry ny zaza sy ny ankizy ny fitaovan-dakozia maranitra sy mamay
-Mampiasa fitaovana fikirakirana zavatra mamay, toy ny lamba matevina fibatana vilany.

Fanindrian-javatra mavesatra

Mandratra na mahafaty ihany koa ireo zavatra mavesatra mety milatsaka amin'ny tena. Raha mampiasa jiro lehibe mihatona (toy ny lustre) dia mety hilatsaka izany rehefa miha-simba ny fihantonany. Mety hampidi-doza araka izany ireo zavatra mavesatra amin'ny toerana ambony, na mipetraka amin'ny rindrina na plafond. Midika izany fa tena ilaina ny manamarina ny fipetahan'ireo fanaka na jiro amin'ny toerana ambony, mba hisorohana ny loza tsy ampoizina.

Lire la suite

Articles Similaires