Akanjo misy tasy mavon’ny hatsembohana : ahoana no atao ?
Isan’ireo zavatra manorisory sy mahamenatra rehefa mafana toy izao ny andro ny fisian’ny tasin’hatsembohana eo amin’ny akanjo. Matetika moa dia eo amin’ny faritra ambanin’ny helika no tena ahitana izany. Fa inona no mahatonga ny akanjo lasa mavon’ny hatsembohana ny eo amin’ny faritry ny helika ? Ahoana no atao hanesorana io tasin’hatsembohana io ?
Ny antony mahatonga ny heliky ny akanjo ho mavon’ny hatsembohana
Ny fanaovana « déodorant » misy « aluminium chlorhydrate » no isan’ireo antony voalohany mahatonga ny heliky ny akanjo ho mavon’ny hatsembohana. Rehefa mifangaro ny hatsembohana sy ny « aluminium chlorhydrate » dia lasa mahatonga « réaction chimique » mampivadika mavo ny lokon’ny hatsembohana. Ity farany no mifindra eo amin’ny heliky ny akanjo ka lasa miraikitra sy sarotra hesorina eo aminy. Ny fanaovana alamo matetika ihany koa dia mety mahatonga io tasy mavo eo amin’ny heliky ny akanjo io. Ireto manaraka ireto ary ny fikafika hanamorana ny fanadiovana ny akanjo tratr’izany.
Ranona voasary makirana sy rano mafana
Ny ranona voasary makirana dia akora natoraly iray mandaitra amin’ny fanadiovana ny tasy mavon’ny hatsembohana eo amin’ny heliky ny akanjo. Afaka ampiasana azy ity ireo karazana lamba malemy sy mora simba. Tsotra ny fampiasana azy. Potserina ny ranona voasary makirana 1 dia tapohana rano mafana ¼ litatra. Maka éponge madio dia lemana amin’io fangaro io. Avy eo petapetahana amin’ilay éponge eo amin’ilay faritra misy tasy mavon’ny hatsembohana. Avela hilona adiny 1 amin’ny toerana mangatsitsiaka sy maina avy eo sasana toy ny mahazatra ilay akanjo.
Ranona voasary makirana sy karibonetra
Mba hanesorana ny tasy mavon’ny hatsembohana sarotra miala eo amin’ny heliky ny akanjo dia ranona voasary makirana sy karibonetra mifangaro no ampiasaina. Tsotra ny fomba atao. Potserina eo ambonin’ilay tasy ny ranona voasary makirana. Avy eo somary kosehana amin’ilay silaka voasary makirana eo amin’ilay tasy. Rehefa vita izay dia rarahana karibonetra eo amboniny. Avela hiasa mandritra ny ora 1. Sasana toy ny mahazatra ilay lamba avy eo.
Aspirine
Fanafody fiadiana amin’ny aretin’andoha efa fantatry ny maro ny Aspirine. Azo ampiasaina hanadiovana ny tasy mavon’ny hatsembohana eo amin’ny heliky ny akanjo ihany koa izy io. Raha hampiasa izany eo amin’ny akanjo fotsy dia arotsaka anaty rano mafana tapaky ny kaopy ny Aspirine singany 3. Aroharoana hifangaro tsara. Avy eo araraka ao anatin’ny tavoahangy « pulvérisateur ». Avy eo atsifitra eo amin’ilay tasy. Avela hipetraka adiny 2 avy eo sasana.