• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le Progrès
Image
Fahalalana Ankapobeny

Krismasy : Inona no atao raha manao fety irery ?

25/12/2024 00:25 © Moov

Lavitra fianakaviana sy ray aman-dreny : tsy vitsy ireo tsy maintsy manao fety irery . Matetika dia noho ny asa, ny fianarana na ny antony ara-bola no mahatonga ny olona tsy tafaverina any amin'ny tany niaviany. Inona àry no azo atao amin'izao fety izao ?

Mavesatra ny fo satria mahatsiaro manirery. Tsy mora tokoa ny mahita ny olon-drehetra miara-mifaly amin'ny fianakaviany. Na handeha "restaurant" aza toa hafahafa ny tsy misy namana akory iaraka latabatra amin'ny tena.

Manararaotra ny teknolojia

Koa satria mandroso be ny teknolojia, azo atao tsara ny mifanakaiky amin'ny havana sy ny namana any an-tany lavitra amin'ny alalan'ny antso an-tariby. Afaka manao "appel vidéo" ihany koa amin'ny alalan'ny WhatsApp. Mazava ho azy, azo araraotina tsara ny tambazotra sosialy isan-karazany ifampitafatafana sy ifandefasana sary.

Mandamina trano

Voa maika mampitombo ny alahelo sy ny fikorotanan-tsaina ny tsy filaminan'ny trano honenana.Tsy voatery hanao haingo krismasy akory raha efa tsy niomana, fa tena amporisihana ny fandaminana. Atomboka amin'ny fanadiovana izany, na ny tany itsahina, na ny rindrina na ny fanaka isan-karazany. Azo atao tsara ny manova ny fipetrahan'ireo fanaka.
Raha toa ka misy fahafahana ara-bola dia mahafinaritra ny mividy haingon-trano vaovao : rideaux, coussins, bibelots, sns. Azo atolotra ny hafa na amidy ireo entana efa tsy miasa intsony.

Mijery "films"

Raha tsy manana eritreritra hivoaka ny trano mihitsy amin'ity krismasy ity, mety kokoa raha karakaraina vao maraina ny sakafo. Azo atao tsara mihitsy ny mikarakara sakafo matsiro (sakafo mora karakaraina no atao). Tsy adino ny mofomamy, ny ranomboankazo sy ny tsakitsaky isankarazany. Avy eo dia mijery "films de Noel" handaniana ny tontolo andro.

Mikarakara vatana

Na lehilahy na vehivavy, fotoana hanararaotana hikarakarana vatana ny andro tsy fiasana. Azo atao ohatra ny manao "gommage" ny tarehy, manapaka sy manatsara hoho, manala ireo volovolo amin'ny faritra samihafa, sns.
Ny tena zava-dehibe dia ny fankafizana ny fety na inona na inona "activités" safidiana.

Lire la suite

Articles Similaires