• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Canalblog
Image
DYI

Fomba fitahirizana ny akondro tsy ho mora simba

12/07/2024 15:21 © Moov.Mg

Isan’ireo voankazo be otrikaina sady misy mandava-taona ny akondro. Ny olana amin’izy ireny dia ilay izy mora simba. Matetika rehefa tsy lany anaty roa andro ny akondro dia lasa ratsy endrika ny hodiny ary lasa malemy sy toy ny lo ny ao anatiny. Ireto ary misy torohevitra vitsivitsy mba hitahirizana ny akondro tsy ho mora simba.

Fonosina ny tahon’ny akondro mba tsy ho mora simba

Mba ahafahana mitahiry ela kokoa ny akondro masaka dia fonosina amin’ny « film alimentaire » na amin’ny « scotch » ny tahony. Misy singa iray antsoina hoe « éthylène » ao anatin’ny akondro. Io singa io no miforona eo amin’ny tahon’ny akondro ka miparitaka mankany amin’ny vatany mahamasaka azy. Rehefa fonosina ny tahon’ny akondro dia tsy miparitaka ilay « éthylène » manamasaka ny vatany. Mety hihamainty ny hoditry ny akondro fa ny ao anatiny kosa tsy halemy be sy ho simba.

Atokana toerana ny akondro masaka

Mba hitahirizana ny akondro aharitra andro maromaro dia mila atokana ireo akondro vaovao sy ireo efa masaka be. Manafaingana ny fahamasahana sy ny fahasimban’ireo akondro vaovao tokoa mantsy ny mipetraka miaraka amin’ny akondro efa masaka be. Afaka atao manakaiky voankazo hafa mbola mantamanta, toy ny zavoka na ny poara, kosa nefa ireto farany. Tsy ho simba haingana ireo akondro ary ho masaka haingana kokoa ireo voankazo akaikiny.

Lire la suite

Articles Similaires