• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Santeplusmag
Image
DYI

Fomba mandaitra hanadiovana ny menaka amin’ny fitaovan-dakozia

29/08/2024 16:43 © Moov.Mg

Isan’ny manahirana sy mandreka tokoa ny manasa fitaovan-dakozia feno menaka, indrindra ireo fitaovana plastika na koa ireo lovia sy sotro tratry ny menaka mandry. Ireto ary misy torohevitra mandaitra hanamora ny fanadiovana azy ireo sy hanesorana ny menaka.

Alona anaty rano mafana mba ho mora diovina

Tsy tonga dia sasana avy hatrany ny fitaovan-dakozia miosotra menaka fa alona anaty rano mafana aloha. Izany dia mba hahamora ny fanesorana ny menaka be miraikitra amin’ny fitaovana avy nampiasaina toy ny lovia, ny sotro sy sotrorovitra, ny sotrobe, ny vilany na ny lapoaly. Mora miala kokoa ireo menaka ireo, indrindra ny menaka mandry, rehefa tratry ny rano mafana. Rehefa hita fa niala tsikelikely ireo menaka dia ariana io rano nandomana lovia io ary sasana toy ny mahazatra amin’izay izy ireo.

Manafana vinaigitra fotsy hanadiovana ny vilany feno menaka

Maro dia maro ireo azo ampiasana ny vinaigitra fotsy amin’ny fanadiovana ireo fitaovana samihafa ao an-trano. Mbola mandaitra ihany koa izy ireny hanesorana ny menaka sarotra miala amin’ny vilany. Tsotra ny fampiasana azy. Rarahana vinaigitra fotsy tapaky ny vera (miankina amin’ny haben’ny vilany) ao anaty vilany ary ataingina ambony afo mba hafana. Rehefa mafana dia kosehana mora amin’ny éponge sy amin’ny paille de fer amin’izay avy eo sasana amin’ny rano sy savony. Ho mora afaka kokoa ny menaka rehefa tratr’io vinaigitra mafana io.

Kosehina amin’ny karibonetra

Akora mandaitra amin’ny fanadiovana ny fitaovan-dakozia miosotra menaka be ihany koa ny karibonetra. Noho izy manana fiasa « abrasive » dia afaka manala tsara ny menaka miraikitra amin’ny lovia, vilany na fitaovan-dakozia platsika sarotra diovina ny karibonetra. Mikasika ny fampiasaina azy : rarahana karibonetra ilay fitaovana ho diovina, asiana rano kely ary avela hilona minitra vitsy vao kosehana. Raha hita fa miraikitra be ilay menaka dia afaka soloina vinaigitra fotsy ilay rano. Ho mora afaka io menaka io afaka 15 minitra ka ho mora diovina kokoa ilay fitaovana.

Lire la suite

Articles Similaires