• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Jardiner Malin
Image
DYI

Fomba tsotra fambolena saosety ao an-tokontany

05/06/2024 10:49 © Moov.Mg

Isan’ireo voly mora karakaraina sy mora vanona ny saosety. Azo atao tsara ny mamboly azy ireny eo an-tokontany. Miroborobo ary mamokatra be tokoa ity voly ity nefa tsy mila fikarakarana be. Araho eto ary ny fomba tsotra fambolena saosety ao an-tokontany.

Omanina ny saosety ho ambolena

Marihana fa ao anatin’ny saosety ihany no maniry ny voany. Noho izany dia ilay saosety mihintsy no alevina anaty tany rehefa hamboly azy. Misafidy saosety iray salama tsara sy tsy misy simba eny an-tsena. Atao mamoa io saosety io. Izany hoe, apatraka amin’ny toerana iray mafana sy maina tsara mandritra ny 2 herinandro. Rehefa misy fakany mitsiry eo amin’ny vatany dia vonona hambolena izy izay.

Safidiana ary karakaraina ny toerana hambolena azy

Toerana azon’andro tsara sy tsy be rivotra ao an-tokontany no safidiana hambolena ny saosety. Tsara kokoa raha eo akaikin’ny tamboho ohatra. Mila tany malemy sy manankarena zezika ihany koa mba hahavanona ny voly. Raha atahorana ilay tany dia karakaraina aloha vao hambolena ny saosety. Rarahana zezika, toy ny « compost organique » sy « fumier » mba hampamokatra sy mandomando ilay tany. Endrasana andro maromaro aorian’izay vao hambolena ny saosety.

Miditra amin’ny fambolena ny saosety

Lavahana ny tany. Apetraka ao anatiny ao ny saosety misy fakany ho ambolena. Apetraka atao matory ilay saosety ary ilay fakany kely iny no ambony. Rehefa vita izay dia rakofana tany ary tondrahana. Mila tondrahana hatrany moa ity voly ity fa tsy atao vonton-drano be loatra kosa nefa, indrindra mandritra ny main-tany.

Ampiana zezika matetika mba ho vanona

Mila asiana zezika matetika ity voly ity mba ho vanona tsara. Atao isaky ny 3 volana eo ho eo mandrapahitana fa mitombo tsara ny saosety. Ny tany makiana sy atahorana tsy hamokatra moa ne tena ampiana zezika. Ho an’ny tany malemy sy mamokatra tsara dia tsy tokony mila atao izay intsony.

Faranana ary ampanarahana lampihazo ny saosety

Rehefa mitombo tsara sy miroborobo ny saosety dia mila hamaranana mba hiroborobo sy mba hikoriana tsara ny rivotra mamelona azy. Miaro azy amin’ny aretina ihany koa ny fanaovana izany. Rehefa hita fa mihalehibe ilay voly dia mila mametaka lampihazo hiakarany sy hitomboany. Rehefa mbola kelikely aloha dia lampihazo mitsatoka manaraka ny halavany no atao. Rehefa miroborobo tsara kosa dia mametaka lampihazo ambony ka akarina avela hanaraka izany ny saosety mba ahazo aina sy hiroborobo tsara.

Lire la suite

Articles Similaires